jeudi 1 mars 2018

Alakamisy 01 Martsa 2018 - Mat 4 : 12 - 17

12Nony ren'i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany4.12 naiditra... Jôhany: i Jôhany Mpanao batisa no ambara eto. Jereo Mt 14.3., dia lasa nankany Galilea Izy. 13Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron'ny farihin'i Galilea, anatin'ny faritanin'i Zebolòna sy i Naftalỳ4.13 I Zebolòna sy i Naftalỳ dia ireo foko anankiroa niorim-ponenana tany amin'ny faritra avaratr'i Israely, ka isan'iny Galilea faha-Jesoa iny.. 14Ka tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaià mpaminany hoe:

15«Ry tanin'i Zebolòna sy i Naftalỳ,
ry lalana amoron'ny farihy,
ry faritra ampitan'i Jôrdàna,
ry Galilea onenan'ny hafa firenena,
16ny vahoaka izay mihitsoka amin'ny maizina
dia nahita hazavana lehibe,
ary ny olona izay mihitsoka amin'ny toerana alofan'ny fahafatesana
dia niposahan'ny hazavana4.16 Is 8.3–9.1..»

17Hatramin'izay i Jesoa dia nanomboka nitoriteny ka nanao hoe:
–Ialao ny toe-d ratsy4.17 Ialao ny toe-dratsy: jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA., fa efa akaiky ny Fanjakàn'ny lanitra.

Hafatra efa nampitondraina an'i Jaona mpanao hatisa no nentin'i Jesoa eto indray. Mifanohy tsara ny asa nanirahana azy ireo. Mifanarana ny asan'i Jaona Mpanao Batisa. fa manomhoka kosa ny an'i Jesoa.

1- « Mibebaha », hoy nv Tompo !
Mandidy antsika hihebaka ny Tonipo amin'izao andro farany izao. Ny nahafoizany ny ainy ho fisoloana antsika teo amin'nv hazofijaliana dia ny mba hanafaka antsika amin'ny fahotana. Koa aoka isika hiala amin'ny ratsy fanao. izay mampisaraka antsika Aminy. Ny fibebahana no làlana hitodihana amin'Andriamanitra ary hiambohoana ny faharatsiana rehetra isan'andro. Manatona an'i Jesoa Kristy mba hodiovinv sy horaisinv ary hanao ny asany ka ho tonga zanak'Andriamanitra rehefa tarihin'ny Fanahinv.

2- « Efa akaikv nv fanjakan'ny lanitra »
Te hanome fampanantenana feno sy mazava ny fihavian'ny fànjakan'ny lanitra ny Tompo. Tanteraka tamin'ny nampiakarana Azy any andanitra ny fanokafany ny varavaran'nv lanitra mba hampidirany antsika. Manomana antsika hiara-mitoetra Amin'ny Tompo ka aoka ho vita fihavanana Aminy isika. Ampy ny fitarihany antsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. koa mivonona hanatrika ny Tompo. Mivoha ho an' izay manaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy ny fanjakan'ny lanitra.

Fanontaniana :
Vonona ve ianao amin'izay voalaza eto ?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12