jeudi 14 juin 2012
Alakamisy 14 Jona 2012 - Sal 103 : 1 - 10
1. Nataon'i Davida. Aoka hisaotra ny TOMPO aho, hisaotra eram-po ny anarany masina! 2. Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho, ka tsy hisy hohadinoiko ny soa nataony! 3. Fa Izy no mamela ny heloko rehetra ary manasitrana ny aretiko rehetra. 4. Avotany tsy ho any an-davaka ny aiko; rakofany fitiavana sy indrafo aho. 5. Fenoiny fahasambarana ny fiainako, ka tanora sy matanjaka toa voromahery aho. 6.Omen'ny TOMPO rariny sy hitsiny izay rehetra ampahorina. 7. Efa nampahafantatra ny fikasany tamin'i Mosesy Izy ary ny asany mahery tamin'ny vahoaka israelita. 8. Mpamindra fo sy mpiantra ny TOMPO, tsy mora tezitra ary be fitiavana. 9. Tsy mba mandevilevy lalandava Izy, tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay. 10. Tsy araka ny otantsika no anafaizany antsika, tsy araka ny helotsika no amaliany antsika.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...