samedi 23 juin 2012
Sabitsy 23 Jona 2012 - I Sam 10 : 5 - 7
5 Rehefa izany dia ho tonga ao Gibeha-Elohima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanana ianao, dia hifanena amin'ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin'ny Toeramasina, ka ialohavan'ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo. 6 Hilatsaka aminao ny Fanahin'ny TOMPO, ka haminany miaraka amin'izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao. 7 Rehefa tanteraka aminao ireo famantarana ireo, dia ho fantatrao fa Andriamanitra tokoa no momba anao koa ataovy izay fantatrao fa mety.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...