lundi 25 juin 2012
Alatsinainy 25 Jona 2012 - Efe 2 : 14 - 18
14 Satria i Kristy mihitsy no nampihavana antsika roa tonta, ka nahatonga ny Jiosy sy ny hafa firenena ho iray; fa tamin'ny nanoloran'i Kristy ny tenany, dia narodany ny rindrina izay nampisaraka antsika sy nahatonga antsika hifankahala. 15 Nofoanan'i Kristy ny lalana jiosy mbamin'ny didy amam-pitsipiny mba hampiraisany antsika roa tonta amin'ny tenany ka hanaovany antsika ho olom-baovao tokana: toy izany no ahavitan'i Kristy fampihavanana. 16 Ny nahafatesany teo amin'ny hazofijaliana dia nanafoana ny fifankahalana, ka nanambatra antsika roa tonta ho tena iray ihany sady nampihavana antsika tamin'Andriamanitra. 17 Izany no nahatongavan'i Kristy nitory Vaovao Mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an'Andriamanitra sy taminay Jiosy izay akaiky Azy. 18 Koa dia amin'ny alalan'i Kristy no ahazoantsika roa tonta manatona an'Andriamanitra Ray noho ny asan'ny Fanahy Masina iray ihany.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...