lundi 18 juin 2012
Alatsinainy 18 Jona 2012 - Sal 51 : 1 - 12
1. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida, 2. fony i Natana mpaminany nankao aminy, rehefa naka an'iBaty-Seba ity mpanjaka. 3. Andriamanitra o, iantrao aho satria fatra-pitia Ianao; koseho re ny hadisoako satria be indrafo Ianao. 4. Sasao tanteraka aho ho afa-keloka ary diovy mba ho afa-pahotana. 5. Eny, miaiky ny fahadisoako aho sady tsaroako lalandava ny fahotako. 6. Ianao irery tokoa no nanotako, ny ratsy eo imasonao no nataoko; hany ka ara-drariny Ianao raha miteny, ary tsy omen-tsiny raha manadidy. 7. Jereo fa meloka aho no teraka, mpanota raha notorontoronina; 8. nefa ny hahitsy ao anaty no sitrakao, koa ny fahendrena am-po no atoroy ahy. 9. Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka. 10. Ataovy reko ny famelanao, dia hifaly sy hiravo indray aho; ary aoka hibitaka ny taolako izay efa voamontsamontsanao. 11. Hadinoy tanteraka ny fahotako ary koseho avokoa ny heloka vitako. 12. Amorony fo madio aho, Andriamanitra o, fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...