vendredi 22 juin 2012
Zoma 22 Jona 2012 - Mat 18 : 1 - 5
1 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa ny mpianatra ka nanontany Azy hoe; Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra? 2 Dia niantso zazakely i Jesoa napetrany teo afovoan'izy rehetra 3 ka hoy Izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra mihitsy ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra. 4 Koa izay hanetry tena tahaka ity zazakely ity no ho lehibe indrindra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra. 5 Ary na iza na iza handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako dia Izaho no raisiny.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...