lundi 11 juin 2012
Alatsinainay 11 Jona 2012 - Sal 1 : 1 - 6
1. Sambatra ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, na mijanona eo amin'ny lalan'ny mpanota, na miray toerana amin'ny mpaniratsira! 2. Fa ny fampianaran'ny TOMPO no sitrany, ka dia saintsaininy andro aman'alina. 3. Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy, izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina , ka dia mahomby avokoa ny asa rehetra ataony. 4. Tsy mba toy izany ireo olon-dratsy, fa tahaka ny akofa aelin-drivotra. 5. Noho izany, dia ho voaheloka eo amin'ny fitsarana ireo; ary tsy hisy toerana ho azy akory eo amin'ny fivorian'ny olo-marina. 6 Tsimbinin'ny TOMPO tokoa ny fiainan'ny olo-marina, fa ny an'ny olon-dratsy kosa mankamin'ny fahaverezana.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...