samedi 16 juin 2012
Sabotsy 16 Jona 2012 - Eze 18 : 27 - 32
27. Raha misy kosa olon-dratsy miala amin'ny faharatsiana nataony, ka manao izay marina sy mahitsy, dia mamonjy ny ainy izy. 28. Ho velona tokoa izy fa tsy ho faty satria nahatsapa ny asa ratsiny ka niala tamin'izany. 29. Kanefa hoy ianareo Israelita hoe: "Tsy marina ny fitondran'ny TOMPO." Tsy ny fitondrako no tsy marina fa ny anareo! 30. Noho izany, IzahoTOMPO ANDRIANANAHARY dia hitsara anareo Israelita tsirairay avy araka ny fitondrantenany; teny hentitra avy amiko izany. Koa ovay ny toe-dratsy, ialao ny hadisoana rehetra fanaonareo, dia tsy hisy intsony zavatra hitarika anareo amin'ny heloka. 31. Esory ho afaka aminareo ny asa ratsy rehetra fanaonareo; ka mihavaoza fo amam-panahy ianareo. Ahoana no te ho faty ianareo, ry Israelita?
32. Fa tsy sitrako ny hahafaty ny olona. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. Ovay ny toe-dratsy, dia ho velona ianareo."
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...