samedi 9 juin 2012
Sabotsy 09 Jona 2012 - Jao 13 : 31 - 35
31 Nony efa nivoaka ny trano i Jodasy, dia hoy i Jesoa: nkehitriny dia efa omem-boninahitra ny Zanak'olona, ary Andriamanitra no omem-boninahitra eo aminy. 32 Raha Andriamanitra no omem-boninahitra eo amin'ny Zanak'olona, dia Andriamanitra koa no hanome voninahitra Azy eo amin'ny tenany ary hanome voninahitra azy raha afaka kelikely. 33 Vetivety foana sisa hitoerako eto aminareo, rey anaka; hitady Ahy ianareo ary toy ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha, no lazaiko aminareo koa ankehitriny. 34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa. 35 Ny hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia raha mifankatia ianareo.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...