dimanche 13 octobre 2013

Alahady 13 Oktobra 2013 - Mar 9 : 19 - 29

19Dia hoy i Jesoa tamin'ny vahoaka:

–Karazan'olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!

20Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an'i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin'ny tany ary niolanolana sy nandoa vory. 21Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe:

–Hatramin'ny oviana izao?

Dia hoy ny rainy:

–Hatramin'ny fahakeliny. 22Ary matetika izy no nazeran'io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay!

23Fa hoy ny navalin'i Jesoa azy:

–Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan'izay mino!

24Avy hatrany ilay rain'ilay zaza dia niantsoantso mafy nanao hoe:

–Mino aho, nefa vonjeo fa tsy ampy finoana.

25Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe:

–Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin'io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!

26Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon'ny maro hoe maty. 27Fa noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.
28Rehefa tonga tao an-trano i Jesoa, dia nanontany Azy manokana ny mpianany nanao hoe:

–Nahoana izahay no tsy naharoaka azy iny?

29Dia hoy i Jesoa taminy:

–Iny karazana iny dia tsy misy fomba azo amoahana azy afa-tsy ny fivavahana ihany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12