dimanche 27 octobre 2013

Alahady 27 Oktobra 2013 - Gen 24 : 12 - 28

12Izao no vavaka nataony:
–Ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama tompoko ô, mba ambino aho anio, ka manehoa fahasoavana amin'i Abrahama tompoko. 13Inty aho eto akaikin'ny fantsakana; ary ireo zatovovavy zanaky ny mponina ao an-tanàna dia hivoaka hantsaka rano eto. 14Koa izay zatovovavy hangatahako mba hampidina kely ny sininy hisotroako, ka hamaly hoe: «Misotroa ary aoka ny ramevanao hampisotroiko ihany koa!», dia amin'izay no hahafantarako fa izy no voatendrinao ho an'i Itsehàka mpanomponao ary efa naneho fahasoavana tamin'ny tompoko Ianao.
15Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin'i Betoela zanakalahin'i Milkà izay vadin'i Nahôra rahalahin'i Abrahama. 16Tsara tarehy tokoa razazavavy sady virijiny fa tsy mbola nisy lehilahy niray taminy. Ary nidina teo am-pantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra. 17Fa nihazakazaka hihaona amin-drazazavavy ilay mpanompon'i Abrahama ka nanao hoe:
–Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho azafady!
18Ary hoy razazavavy hoe:
–Misotroa, tompoko.
Nampidininy haingana ny siny ho eo an-tanany, dia nampisotroiny ralehilahy. 19Ary rehefa vitany izany, dia hoy indray razazavavy hoe:
–Hantsaka ho an'ny ramevanao koa aho ambara-pisotron'izy rehetra.
20Dia naidiny faingana tao anaty tavy fisotroam-biby ny rano tao an-tsiny ary nihazakazaka nantsaka indray izy, ka nantsakany avokoa ireto rameva rehetra. 21Ary nandinika tsara an-drazazavavy tamim-panginana ilay rangahy mba hahafantarany raha nambinin'ny TOMPO tokoa ny diany na tsia. 22Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin'orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy, 23sady nanontany azy hoe:
–Mba lazao ahy hoe: Zanak'iza moa ianao? Ary misy toerana azonay andriana ve ao an-tranon-drainao?
24Dia namaly razazavavy hoe:
–Zanakavavin'i Betoela aho, sady zafikelin'i Milkà sy i Nahôra.
25Ary mbola nampiany hoe:
–Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay sady misy toerana handrianareo koa.
26Niondrika ilay rangahy ary niankohoka nisaotra ny TOMPO 27nanao hoe:
–Hisaorana anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama tompoko, fa tsy namela ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky hiala tamin'ny tompoko Ianao, fa teny an-dalana aho dia nentinao hankaty amin'ny tranon'ireo havan'ny tompoko.
28Dia lasa nihazakazaka nankany an-tranon-dreniny razazavavy hilaza ny vaovao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12