samedi 19 octobre 2013

Sabotsy 19 Oktobra 2013 - II Pet 1 : 1 - 11

1Avy amiko Simôna Petera ity taratasy ity, dia izaho mpanompon'i Jesoa Kristy* sady apôstôliny*.
Mamangy anareo aho, dia ianareo izay nahazo finoana sarobidy tahaka ny anay, noho i Jesoa Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy antsika, efa niantra antsika. 2Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, vokatry ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy i Jesoa Tompontsika!

Ny fiantsoan'Andriamanitra ny kristianina

3Ny hery maha Andriamanitra Azy no nanome antsika ny zavatra rehetra ilaina hahazoana ny fiainana sy hiraiketam-po amin'Andriamanitra, satria isika efa nampahalalain'i Jesoa Tompo an'Ilay niantso antsika noho ny voninahiny sy fahatsarany. 4Izany voninahitr'Andriamanitra sy fahatsarany izany no nanomezana antsika ireo zavatra sarobidy sy lehibe tokoa nampanantenainy antsika, mba ho tonga mpiombona amin'ny fomban'Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin'ny fahalòvana vokatry ny filàndratsy mihanaka eo amin'izao tontolo izao*. 5Koa noho izany, aoka hiezaka mafy tokoa ianareo: ka ny finoanareo ombay hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahinareo ombay fahalalana; 6ny fahalalanareo ombay fahononam-po; ny fahononam-ponareo ombay faharetana; ny faharetanareo ombay firaiketam-po amin'Andriamanitra; 7ny firaiketam-ponareo amin'Andriamanitra ombay fandalana ireo havana iray finoana; ny fandalànareo ny havana iray finoana ombay fitiavana ny olona rehetra. 8Fa raha ireo toetra ireo no anananareo sy ampitomboinareo, dia hanjary mazoto sady mahavokatra ianareo amin'ny fahalalana bebe kokoa an'i Jesoa Kristy* Tompontsika.
9Fa izay tsy manana ireo toetra ireo kosa dia tsy mahajery lavitra ka naman'ny jamba, sady manadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany fahiny. 10Koa amin'izany, ry havana, miezaha bebe kokoa hampitombina tsara ny fiantsoan'Andriamanitra anareo sy ny fifidianany anareo; satria raha manao izany ianareo, dia tsy ho solafaka amin'ny fahotana na oviana na oviana; 11fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ao amin'ny Fanjakana* maharitra mandrakizay, dia ny Fanjakàn'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. 

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12