lundi 14 octobre 2013

Alatsinainy 14 Oktobra 2013 - Neh 2 : 11 - 20

11Dia tonga tany Jerosalema aho ka nipetrapetraka tao telo andro; 12nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin'Andriamanitra ny foko mba hatao ho an'i Jerosalema. Avy eo dia niainga alina aho, nombàn'olona vitsivitsy; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay boriky nitaingenako ihany. 13Nandeha alina aho ka nivoaka ilay vavahadin'ny Lohasaha dia nandroso nankany amin'ilay loharanon'ny Dragona ary nihazo ilay vavahadin'ny Fanariam-pako. Nozahako ny mandan'i Jerosalema efa rava sy ny vavahady efa levon'ny afo. 14Dia nizotra nankany amin'ilay vavahadin'ny Loharano aho sy nihazo ilay farihin'ny mpanjaka; nefa tsy nisy intsony lalana azon'ilay biby nitaingenako naleha. 15Iny alina iny ihany no niakarako ny tevana amoron'ny lohasahan-driaka sy mbola nizahako ny manda; izay vao nitampody aho, dia niditra ilay Vavahadin'ny Lohasaha ka tafaverina.
16Tsy nahalala izay nalehako na izay nataoko ireo mpanapaka; fa, talohan'izao, dia tsy mbola nisy nilazako izany ireo Jiosy, na mpisorona na loholona na mpanapaka na olon-kafa mpiandraikitra ny asa. 17Ary hoy aho taminy;

–Hitanareo ny fahavoazana mihatra amintsika fa rava i Jerosalema ary kilan'ny afo ny vavahadiny. Koa andeha hanangana indray ny mandan'i Jerosalema isika mba tsy ho fandatsa intsony!

18Dia nambarako azy ny fiarovana nanambinan' Andriamanitra ahy ary koa ny teny nolazain'ny amperôra tamiko; ka hoy ireo hoe:

–Ndao àry isika hanorina ny tanàna!

Dia nivonon-kanao izany asa soa izany tamin-kerimpo ry zareo. 19Fa raha nahare izany i Sanebalato ilay Hôrônita sy i Tôbià ilay Hamônita mpanampy azy ary i Gesema ilay Arabo, dia nanaraby sy naneso anay hoe:

–Inona izao zavatra hataonareo izao? Hikomy amin'ny amperôra angaha ianareo?

20Izao kosa no valin-teny nasetriko azy:

–Ilay Andriamanitry ny lanitra* mihitsy no hanambina anay; ka dia hirotsaka hanorina ny tanàna indray izahay mpanompony. Ianareo kosa tsy manana anjara na zo na fahatsiarovana akory atỳ Jerosalema!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12