lundi 28 octobre 2013

Alatsinainy 28 Oktobra 20132 - Fil 1 : 12 - 26

12Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly*; 13ka ny ato an-dapa manontolo sy ny olon-kafa rehetra dia samy mahalala fa voafonja noho ny amin'i Kristy aho. 14Nony nahita ahy voafonja ny ankamaroan'ireo havana iray finoana, dia vao mainka nataon'ny Tompo feno fahatokiana ka mihasahisahy kokoa mitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin-tahotra.
15Eny, fialonana ahy sy fitia te hifanditra no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa hitsim-po kosa no manentana ny sasany. 16Ireto dia asesiky ny fitiavana, satria fantany fa voatendrin'Andriamanitra hampandresy lahatra ny Vaovao Mahafaly aho; 17irerỳ kosa asesiky ny fifampiandaniana, ka tsy manambara an'i Kristy amin-kitsim-po, fa mihevitra hanampy trotraka ny fijaliako amin'izao maha voafonja ahy izao.
18Kanefa mampaninona moa izany? Amin'ny atao rehetra, na asesiky ny fihatsarambelatsihy na asesiky ny hevitra mahitsy, dia i Kristy no torîna, ka ifaliako izany; eny, hifaliako hatrany izany 19satria fantatro fa ho tonga famonjena ahy noho ny vavakareo ary noho ny fanampian'ilay Fanahy Masina nampanantenain'i Jesoa Kristy. 20Miandry sy manantena mafy tokoa aho, ka tsy hahazo henatra tsy akory; fa na ankehitriny aza, toy ny mandrakariva ihany, dia ho feno fahasahiana aho ka i Kristy no hankalazaina ao amin'ny tenako, na velona aho na maty. 21Fa amiko, dia i Kristy no fiainana; ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. 22Kanefa raha ny mbola miaina eto an-tany no hampisy vokany ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko. 23Sanganehana eo anelanelan-javatra roa aho: tiako hilaozana ity fiainana ity mba hiarahako amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany; 24kanefa noho ny aminareo, dia ilaina kokoa ny mbola hijanonako eto an-tany. 25Matoky izany aho, ka fantatro fa hitoetra maharitra eo akaikinareo rehetra mba hanampy anareo handroso sy ho faly amin'ny finoana. 26Ka rehefa mby eo aminareo indray aho, dia hitombo tokoa ny reharehanareo, satria efa tafaray amin'i Kristy Jesoa ianareo noho ny nataoko.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12