vendredi 11 octobre 2013
Zoma 11 Oktobra 2013 - Jak 4 : 13 - 17
13Mihainoa ahy izao ianareo manao hoe: «Anio na rahampitso dia hankany Ananona izahay, handany iray taona any ka hivarotra sy hahazo vola.» 14Tsy fantatrareo izay hanjo ny ainareo rahampitso! Toy ny etona kely miserana vetivety ianareo, avy eo dia manjavona. 15Aleo ianareo manao hoe: «Raha sitrapon'ny Tompo ka velona aina, dia hataonay izao na izatsy»; 16fa izao ianareo dia sahy mirehareha sy mandoka tena; ratsy avokoa ny fireharehana toy izany. 17Koa izay mahalala ny tsara tokony hatao nefa tsy manao, dia manota.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...