vendredi 25 octobre 2013

Zoma 25 Oktobra 2013 - Mpit 11 : 1 - 8

1Tany Gilehada, dia nisy miaramila mahery fo nantsoina hoe Jiftà, zanakalahin'ny vehivavy janga sy ny lehilahy atao hoe Gilehada. 2Niteraka zanakalahy maro ny vadin'i Gilehada; ka nony efa lehibe ireny, dia nandroaka an'i Jiftà ary nilaza taminy hoe:

–Tsy manan-jò amin'ny lova avy amin'ny raintsika ianao satria zanaky ny vehivavy hafa.

3Dia nandositra lavitra ny rahalahiny i Jiftà ka nonina tao amin'ny faritanin'i Tôba. Ary nisy koa olom-poana nivondrona teo aminy ka nanao asan-jirika niaraka taminy.
4Taoriana kelin'izany, dia nanafika ny Israelita ny Hamônita. 5Ary rehefa vaky ny ady teo amin'ny Hamônita sy ny Israelita, dia nandeha ireo loholon*'i Gilehada mba haka an'i Jiftà any amin'ny faritanin'i Tôba, 6ka nanao taminy hoe:

–Avia ho mpitarika ny tafikay ianao, mba hahafahanay miady amin'ny Hamônita.

7Fa novalian'i Jiftà hoe:

–Moa tsy nankahala ahy ve ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankatỳ amiko ianareo ankehitriny, rehefa tra-pahoriana?

8Hoy kosa ny loholona tamin'i Jiftà:

–Mitodika aminao izahay ankehitriny mba handehananao hiaraka aminay ka hiadianao amin'ny Hamônita; dia ho filohanay sy ho filohan'ny mponina rehetra any Gilehada ianao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12