jeudi 10 octobre 2013

Alakamisy 10 Oktobra 2013 - Job 11 : 13 - 20

13Fa ianao kosa, tsy maintsy mitodika amin'Andriamanitra
ka manatsotra ny tananao hivavaka aminy.
14Raha misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany;
aza avela hanan-toerana eo aminao ny tsy fahamarinana.
15Koa tsy hanan-tsiny ianao sady hitraka,
tsy misy hampihozongozona sy hampahatahotra anao.
16Fa hohadinoinao ny fahorianao lasa,
na toa rano nandalo sisa no hahatsiarovanao azy.
17Hamirapiratra noho ny mitataovovonana ny andronao;
ny haizina hanjary tahaka ny maraim-baovao.
18Hatoky ianao satria manantena;
ka na very laza sy afa-baràka aza
dia handry tsy amin'ahiahy ianao.
19Tsy hisy hanelingelina ny fialan-tsasatrao,
fa maro aza no hila sitraka aminao.
20Fa hihajamba kosa ny mason'ny olon-dratsy
ka tsy hahita lalan-kivoahana.
Ny fialana aina no sisa azony antenaina.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12