dimanche 30 septembre 2018

Alahady 30 Septambra 2018 - Mar 10 : 17 - 22

17Ary nony niainga handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nanatona Azy, ka nandohalika teo anoloany ary nanontany Azy hoe:
–Ry Mpampianatra tapitra ohatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay?

18Dia hoy i Jesoa taminy:
–Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 19Fantatrao ny didy hoe: «Aza mamono olona, aza maka vadin'olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina», aza manambaka, «hajao ny rainao sy ny reninao.»

20Fa hoy ralehilahy taminy:
–Mpampianatra ô, izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin'ny fahatanorako!

21Dia nijery azy tsara i Jesoa ka velom-pitiavana azy ary niteny taminy hoe:
–Zavatra iray no tsy ampy aminao; ndeha amidio ny fanananao rehetra ka zarao amin'ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia hiaraka amiko.

22Dia nanjombona endrika ralehilahy noho izany teny izany; ka lasa nandeha tamin'alahelo, satria nanan-karembe.

Izay te hanana anjara amin'ny fanjakan'ny lanitra

1- Hajao, araho ary ankatoavy ny lalàna

Raha vao nanontany ny Tompo ity lehilahy ity ny aminizay handovàny ny fanjakan'ny lanitra dia ny nitanisa ireo didy sy lalàna maro samihafa no nataon'ny Tompo. Tian'i Jesoa haseho ny hoe : Efa narahinao sy nohajainao ary nankatoavinao ve ireny rehetra ireny? Zava-dehibe nv fanarahana ny lalàna na ny Soratra Masina ho an'izay te handova ny fanjakan'ny lanitra. Isika koa anefa mahalala fa raha mbola ety ambonin'ny tany aza dia tena ilaina tokoa ny fanarahana sy fankatoavana ny lalàna satria mampilamina ny fiaraha-monin'ny olona samy olona izany. Izany anefa tsy midika hoe izay rehetra manara-dalàna dia handova avy hatrany ny fanjakan'ny lanitra satria ao amin'ny filazantsara dia ireo fariseo sy mpanora-dalàna no tena fatra-panaraka sy feno fanajana amin'ny antsipirihiny ny lalàna nefa tsy nifanara-tsaina velively tamin'ny Tompo izy ireo ary eto amin'ity tranga ity dia mbola hafa koa, ankoatra izany, ny zavatra iainan'ity lehilahy ity, koa

2- Mahafoiza ny zava-tsoan'ny tany

Rehefa nobanjinin'ny Tompo ity lehilahy ity dia hitany fa misy zavatra iray tena mitazona mafy azy eto an-tany dia ny harena. Tia harena mihoatra an'Andriamanitra izy ka hoy ny Tompo hoe amidio ny harenanao izany hoe afoizo ny harenanao ka banjino Andriamanitra. Misy olona mieritreritra hoe mivavaka, tena resy lahatra, tena marina sy mpanara-dalàna; tsia, tsy ampy izany fa atolory ho an'Andriamanitra tanteraka ny tenanao sy izay anananao rehetra dia ataovy ny sitrapony.

Fanontaniana:
Manam-paniriana handova ny fanjakan'ny lanitra ve ianao? Ahoana no hahatanterana izany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12