mercredi 26 septembre 2018

Alarobia 26 Septambra 2018 - Jao 12 : 3 - 8

3Tamin'izay i Maria dia naka ilomanitra sarobidy, natao tamin'ny narda, lànjana ampahatelon-kilao. Nanosotra ny tongotr'i Jesoa izy, dia namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany ka heraka ny fofona mamerovero avy amin'ilay ilomanitra ny trano. 4Fa hoy i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin'ny mpianatr'i Jesoa, ilay efa hanolotra Azy:
5–Nahoana iny ilomanitra iny no tsy namidy denàry telonjato homena ny mahantra?

Ireo sokajin'olona mpanara-dia an'i Jesoa

1- Ireo olona manetry tena ka mahafoy zava-tsoa ho Azy

I Maria moa dia voalaza fa nahafoy zava-tsarobidy mba entina hanomezam-boninahitra an'i Jesoa. Tsy vitan'izany fa nanao tsinontsinona ny tenany izy tamin'ny namaohany ny tongotr'i Jesoa tamin'ny volon-dohany. Tena toe-javatra miavaka indrindra izany eo amin'ny fifandraisana tamin'i Jesoa Kristy, satria vehivavy izy no mety hahavita izany? Nasolon'i Maria lamba famaohana ny volon-dohany mba ho entiny hanehoana ny fitiavany ny Tompo sy ny fanetre-tenany tanteraka. Tsy dia ny hanao tahaka izany loatra no ilaina amin'ny kristiana fa ny haneho fìtiavana ny Tompo sy ahafoy zava-tsarobidy ho Azy satria izany no ao ambadiky ny fihetsik' i Maria.

2- Ireo olona mody manaraka azy nefa mihevi-dratsy

Tsy dia mahagaga raha i Jodasy no niteny an'i Maria tamin'ny fihetsika nataony satria olona hanao ratsy Azy io, tsy mihevitra ny ahafoy zava-tsoa ho Azy velively ity Jodasy ity. Raha jerena dia toa mihevitra ny hafa izy nefa tena fitiavan-tena mihitsy ny azy satria tsy misy fiheverana ny mahantra izany ao aminy fa ny fiheveran-tena aza no tena masaka indrindra. Naseho eto ity tranga ity mba ho heverin'ny olona ny zavatra ataony ny Tompo, samy manao izay heveriny fa endrika hisehoan'ny fanompoany mantsy. Taomina anefa ny mpanara-dia ny Tompo mba ho tia Azy sy hahafoy zava-tsoa ho Azy ary tsy atao amin'ny fihatsaram-belatsihy izany fa amin'ny fo tokoa (jereo Heb 6. 10)

Fanontaniana:
Inona ny zava-tsoa tokony hatolotra ny Tompo ary iza no tokony hanao izany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12