samedi 15 septembre 2018

Sabotsy 15 Septambra 2018 - Lio 20 : 19 - 26

19Nitady hisambotra an'i Jesoa tamin'izay ireo mpahay lalàna sy lohandoha-mpisorona, satria nahatsiaro tena ho niantefan'iny fanoharana nataony iny. Saingy natahotra ny vahoaka ry zareo. 20Ary nataon'ireo mpanohitra Azy andrimaso i Jesoa. Olona mihatsaravelatsihy miseho ho olo-marina no nalefany hamandrika an'i Jesoa amin'ny teniny ka hanolorany Azy eo am-pelatanan'i Pilato governora, mba hotsaraina sy hohelohina. 21Dia nanontanian'ireo iraka i Jesoa nataony hoe:

–Mpampianatra ô, fantatray fa mahitsy fiteny sy fampianatra Ianao sady tsy mizaha tavan'olona fa mampianatra tsotra ny lalana soritan'Andriamanitra. 22Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an'ny amperôra rômanina sa tsia?

23Takatr'i Jesoa anefa ny hafetsen-dratsin'ireo ka hoy Izy taminy:
24–Itondray vola denàry anankiray aho! Sarin'iza ary anaran'iza no mipetaka eo?

Dia novalian'ireo hoe:
–An'ny amperôra rômanina!

25Ka hoy i Jesoa taminy:
–Avereno amin'ny amperôra rômanina izay an'ny amperôra rômanina ary amin'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.

26Sady tsy afa-namandrika an'i Jesoa tamin'ny teny teo imason'ny vahoaka ireto iraka no gaga tamin'ny valin-teny nataony ka kepoka nangina.

Ny ratsy tsy kely lalana hoy ny fitenenana ka anjarantsika ny mitandrina tsy ho tafalatsaka ao anatin:ny velapandriny. Noho izany, andeha hianatra amin'i Jesoa:

1- Mailo eo anatrehan'ny fanasoasoana (and.19-22)

Tsy mba faharesen-dahatra no nitarika ireto mpitsikilo hilaza fa mpampianatra marina tsy mizaha tavan'olona i Jesoa. Fanasoasoana mba ahatafalatsaka an'i Jesoa ao anatin ny vela-pandriky ny mpanora-dalana sy ny mpisorona no nataon'izy ireo. Ny tanjona dia ny ahafahàna miampanga Azy. Misy tokoa ireo mody manasoaso kanefa manana tanjona hafa tiana hotratrarina. Fomba fiadin'ny fahavalo ny toy izany koa mila mailo isika.

2- Mailo amin'nv famandrihana (and.23-26)

Niala maina ny fahavalo satria mailo teo anatrehan'ny vela-pandrika i Jesoa. Tsy misy azo natao taminy satria marina ny porofo teny an-tanany sy ny fanamarihana nataony. Misy ny te handroboka antsika ao anatin'ny fahadisoana dia mody manasoaso sy mandambolambo. Misy koa ny mamelatra vela-pandrika. Mila mailo tahaka an'i Jesoa isika eo anatrehan'ny vela-pandrik'ilay ratsy. Mampianatra antsika koa ny Tompo mba hanao asa sy hanome araka izay manadrify ny tsirairay.

Fanontaniana:
Inona no lesona azo tsoahina avy amin'izay nataon'i Jesoa eto ho fanoherana ny kolikoly?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12