lundi 10 septembre 2018

Alatsinainy 10 Septambra 2018 - Sal 141 : 1 - 4

1 Salamo nataon'i Davida.

TOMPO ô, miantso Anao aho: faingàna ho eto amiko.
Mba henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.
2Ny fivavahako anie hisandratra eo anoloanao
toy ny eton'ny vovo-javamanitra!
Ny fanandratako tanana anie
ho toy ny fanatitra hariva!

3TOMPO ô, asio mpiambina ny vavako;
arovy ny varavaran'ny molotro.
4Aza avela hirona amin'ny zava-dratsy ny foko.
Aoka aho tsy hiaraka amin'ny mpanao heloka
na hivarilavo amin'ny fanao tsy mety
na hihinana ny hanim-pin'ireo koa!

Fitarainana atao amin'Andriamanitra mba tsy hisy hanao ratsy izao Salamo izao

1 - Ny Tompo ihany no tsara itarainana (and 1-2)
Amin'izay zava-tsarotra mety ahazo, na fakam-panahy, na fizahan-toetra mahazo, dia ny Tompo ihany no tsara itarainana, ka vavaka maneho ny maha Andriamanitra azy no atao. Vavaka fanehoana ny maha Andriamanitra mpamindra fo, be fitiavana sady tsy mba manao tsinotsinona na maharikoriko ny fahoriana manjo antsika (Sal 142,143) no aseho eo anatrehan'ny Tompo ka hanantenana valimbavaka avy hatrany aminy. Azo antoka mantsy fa ny Tompo mihaino vavaka dia hamaly tokoa araka ny haben'ny indrafony amin'ny mpanompony (Lio 18:7). Aza misalasala mitondra eo amin'ny  Tompo ny fitarainanao ary asehoy aminy fa matoky azy ianao.

2 - Mangataha fiarovana amin'ny Tompo (and 3-4)
Tena vavaka faka tahaka ity eto anoloan'izay mety ho fakam-panahy mahamay, dia izay hataon'ny hafa hitarihana anao izay tsy mety, na izay tsy marina, na izay tsy rariny. Amin'izay indrindra ny fiaroavana azo antoka dia ny Tompo : izy no afaka hiambina ny vava; hiaro ny fo tsy hirona amin'ny ratsy; hiaro ny tena manontolo tsy hiray tsikombakomba hanao izay tsy mety eo anatrehan'ny Tompo. Eo amin'ny sehatra misy anao, sahia mivavaka sy mangataka toy izany, ka tsy ho tsianjery fotsiny intsony ny hoe : "aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy".

Fanontaniana:
Ahoana ny vavaka tokony hataontsika hiadiana amin'ny kolikoly?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12