jeudi 13 septembre 2018

Alakamisy 13 Septambra 2018 - II Tes 3 : 1 - 13

1Farany, ry havana, mivavaha ho anay mba hiely faingana ny tenin'ny Tompo, ka hankatoavina araka ny voninahitra tandrify azy, toy ny teo aminareo. 2Mivavaha koa mba hanafahan'Andriamanitra anay amin'ny olona tsy valahara sy ratsy fanahy; satria tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.

3Fa mitana ny toky nomeny ny Tompo, ka hampahery anareo sady hiaro anareo tsy ho azon'ilay Ratsy. 4Ary omen'ny Tompo fitokiana izahay ny momba anareo, ka azonay antoka fa ny zavatra ameperanay anareo dia efa ataonareo sady mbola hataonareo hatrany.

5Ny Tompo anie hitarika ny fonareo hahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra anareo sy hanam-paharetana miandry ny fiavian'i Kristy!

6Ry havana, mamarafara anareo amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika izahay: halaviro ny namana kamo, tsy manaraka ny fampianarana efa nampitainay taminy. 7Eny, fantatrareo izay tokony hataonareo hanahafanareo anay. Tsy olona kamo izahay, fony tatỳ aminareo. 8Tsy nihinana ny sakafon'olona maimaimpoana izahay, fa nikely aina sy nisasatra niasa andro aman'alina mba tsy hanahirana na dia iray aminareo aza. 9Izany no nataonay, dia tsy hoe tsy manan-jo handray fanampiana avy aminareo izahay, fa mba hanomezanay ohatra hotahafinareo. 10Eny, fony tany aminareo izahay, dia namepetra anareo hoe: «Raha misy tsy te hiasa, aoka izy tsy hihinana!»

11Izany no lazainay dia satria renay fa misy aminareo kamo tsy miasa fa manao zavatra tsisy antony etsy sy eroa. 12Ny olona toy izany dia feperanay sady ampirisihinay amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompo mba hiasa amim-pilaminana ka hihinana ny azy ihany.

13Fa ianareo kosa, ry havana, aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa.

Reseo ny kolikoly.

1- Mifampivavaha sy mifampahereza (and.1-5)

Ady ho fampanjakana ny fitiavana sy ny fahamarinana ny fanoherana ny kolikoly. Ny fampielezana faingana ny Tenin'Andriamanitra izay tena Fahamarinana no ahafahana mandresy izany koa mila mifampivavaka sy mifampahery isika Fiangonana manoloana ny ady mafy hatrehina ho fandresena ny kolikoly. Fery lalina efa mahazo ny fìrenentsika ny kolikoly ka ilàna vavaka sy fifampaherezana eo amin'ny samy mpino.

2- Iaino ny fampianaran'ny Fiangonana (and.6-7)

Ny tsy fanarahana ny fampianarana natolotry ny Apostoly no anisan'ny niteraka korontana teo amin'ny Fiangonana. Mazava ny fampianaran'ny Fiangonana mahakasika ny kolikoly. Lavin'ny Soratra Masina marindrano ny fanaovana kolikoly sy ny fandraisana izany koa iaino ny fampianaran'ny Fiangonana mba tsy ho tafalatsaka amin'izany isika sy ho fanoherana ny fanaovana izany.

3- Miasà fa aza malaina (and.8-13)

Ny fahalainana hiasa kanefa te-hanambe no anisan'ny mitarika ho amin'nv fanaovana kolikoly. Tsy mahamendrika antsika nv mikatsaka volabe, ohatra, kanefa malain-kisasatra: «Ny hatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina » (Gen 3.19), fa aza mivelona amin'ny hatsembohan'ny hafa. Fahamarinana ho an'ny mpino kosa ny mivelona sy mionona amin'izay nikelezany aina am- pahamarinana.

Fanontaniana:
Inona no fandraisan'anjaranao ho fanoherana ny kolikoly?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12