mardi 18 septembre 2018

Talata 18 Septambra 2018 - Efe 6 : 14 - 20

14Koa mamahara tsara hatrany ianareo: ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra; 15ny fahavononan-kitory ny Vaovao Mahafaly mampihavana no ataovy toy ny kiraro eny an-tongotrareo; 16tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipîka mirehitra rehetra alefan'ilay Ratsy; 17raiso ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha, ary raiso ny tenin'Andriamanitra ho toy ny sabatra omen'ny Fanahy Masina. 18Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian'Andriamanitra amin'izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan'ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin'io tanjona io, ary dia mivavaha ho an'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra. 19Mivavaha ho ahy koa mba homen'Andriamanitra ny teny hotononiko rehefa hiloa-bava aho, ka dia ho sahy hampahafantatra ny tsiambaratelo raketin'ny Vaovao Mahafaly. 20Iraka mitondra izany Vaovao Mahafaly izany aho, na dia migadra aza ankehitriny; koa mivavaha ho ahy mba hilazako izany amim-pahasahiana, araka ny tokony hoteneniko.

Ny fiainam-baovao maha kristiana

1- Itondrana ny fiadiana omen'Andriamanitra

Toy ny mpiady rehetra hiatrika izany ady izany ny kristiana ka tsy handeha tanam-polo akory hiady nefa misy fiadiana manokana mendrika azy tokony hananana. Fampitahàna amin'ny zava-misy eo amin'ny fiaraha- monina ihany no lazain'i Paoly eo amin'ny resaka fiadiana fa ny zava-dehibe dia manana fahamarinana. mandala ny rariny, ny fahavononam-panahy hatrany na inona na inona mitranga. mitazona ny finoana, mahazo antoka ny famonjena ary manana sy miaina ny tenin'Andriamanitra. Tokony ananan' ny kristiana izany zavatra izany.

2- Ny vavaka

Zava-dehibe ny vavaka. Izao no voalaza eto hoe mivavaha mandrakariva (and 18). I Jesoa dia nitarika hatrany ireo mpanaradia azy mba hivavaka (jereo Mar 14, 38; Lio 18. 1). Mety manao izany tokoa isika, mivavaka amin'ny fotoana rehetra, mety ho feno vavaka mihitsy aza ny androm-piainana kanefa nahoana no misy olona milaza fa tsy mahazo valim-bavaka? Tadidio fa Andriamanitra no mpamaly vavaka ka manao sy manome izay tiany izany hoe tsy voatery ho miabo ny valin'ny vavaka atao fa ny miiba aza dia efa valim-bavaka izany. Ny adidinao dia ny mivavaka hatrany. Ny vavaka koa anefa dia tsy ho an'ny tena manokana akory izany hoe ianao sy ho anao irery fa ho an'ny hafa koa. Zava-dehibe noho izany ny fitondrana amini-bavaka ny hafa. ny fiaraha-monina, ny firenena, eny fa na dia ny fahavalo aza

Fanontaniana:
Mahatsapa fìfampiandaniana ve ianao eo amin'ny fiainan'ny fiangonana? Inona no nataonao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12