mardi 25 septembre 2018

Talata 25 Septambra 2018 - I Pet 1 : 13 - 21

13Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Kristy. 14Aoka ho fatra-panaiky an'Andriamanitra ianareo, ka aza manaraka ny filàndratsinareo fahiny, fony ianareo mbola tao anatin'ny tsy fahalalana. 15Fa masina ilay Andriamanitra niantso anareo; noho izany, aoka ho masina tahaka Azy koa ianareo amin'ny lafim-pitondrantena rehetra, 16satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Aoka ho masina ianareo satria masina Aho.»

17Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan'olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany. 18Fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin'ny fitondrantena tsy mahasoa nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba tahaka ny volafotsy na ny volamena; 19ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin'i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina. 20I Kristy dia efa voatendrin'Andriamanitra rahateo talohan'ny nahariana izao tontolo izao, saingy tamin'izao andro farany izao vao naseho noho ny aminareo; 21Izy no mahatonga anareo hino an'Andriamanitra, Ilay nanangana Azy ho velona avy any amin'ny maty sy nanome voninahitra Azy, mba hifantohan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.


1 - Atreho ny zava-misy
"Koa amin'izany dia sikino ny sainareo". Hafakely ny fampiasan'i Petera izany voambolana izany. Raha ny hoe sikino dia mazava amin'ny malagasy ihany fa ity manikina saina ity dia hafa mihitsy. Any amin'ny dikan-teny hafa dia izao no hanehoana izany: "atanjaho ny sainareo". Heverina hoe mazava kokoa izany ho an'ny mpamaky. Asaina manikina saina na manatanjaka saina ny mpanaradia ny Tompo satria misy ny fahoriana, ny fizahán-toetra, ny fitsapana maro samihafa mahamay tsy maintsy lalovana ka tsy tokony ho mora kivy ny olona fa hivonona mandrakariva hanohitra izany fahavalo izany. Tsy tokonv ho very fanantenana velively izy satria zava-dehibe no omanin'ny Tompo izay mino Azy.

2-Mitondrà tena mendrika ny maha mpino kristiana
Izavy rehetra manolo-tena hanara-dia ny Tompo, hino Azy sy hanompo Azy dia oharin'i Petera amin'ny zanaka manoa ray sy reny ka rehefa hita sy fantatra hoe tsy nety ny natao taloha dia tsy miverina amin'izany intsony izany hoe mivonona miala amin'ny ratsy natao taloha. Ny hanehoany izany eto dia ny fananana ny fahamasinana: "aoka mba ho masina koa ianareo". Asehon'i Petera izany fa ny masina dia tsy manana izay ifandraisany amin'ny tsy masina satria ny hoe masina dia voatokana hifandray sy hanompo an'Andriamanitra tanteraka koa tsy manana raharaha amin'ny tsy masina intsony. Ilaina mahafantatra, resy lahatra amin'izany ny kristiana ka ihazona tokoa ny fahamasinana.

Fanontaniana:
Mahay mandray fananarana ve ny kristiana amin'ny fanarahana ny Tompo?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12