vendredi 14 septembre 2018

Zoma 14 Septambra 2018 - Sal 15 : 1 - 5

1 Salamo nataon'i Davida.

–TOMPO ô, iza moa no horaisina an-tempolinao
sy hahazo toerana eo an-tendrombohitrao masina?
2–Izay tsy manan-tsiny, izay mitandro rariny
ka milaza tokoa ny marina ao am-pony;
3tsy manao teny manendrikendrika olona
sady tsy manisy ratsy ny namany,
na manompa ny mpiara-monina aminy;
4tsy miraharaha izay lavin'Andriamanitra,
fa manaja an'ireo mpivavaka amin'ny TOMPO,
tsy mivadika amin'ny fianianana vita
na dia maningotra ny tenany aza izany;
5sady tsy mba manisy zana-bola
rehefa mampisambotra
no tsy mba mandray tsolotra
hamelezana ny tsy manan-tsiny.

Izay manao izany sy izany
dia tsy hihontsona na oviana na oviana.

Eo akaikin'Andriamanitra

1- Ireo izay masin-toetra.

Tsy misy tsiny sy mahitsy ary marina Andriamanitra. Isan'ny toetra mampiavaka Azy ireo ka ilazana fa masina Andriamanitra. Takiany koa ny hitafian'ireo izay mivavaka Aminy ireo toetra ireo(and. I). Ny fanekentsika ny ho tarihan'ny Fanahy Masina no ananantsika ireo toetra ireo. Afaka ny hanohitra ny kolikoly rahateo izay tsy mandeha tsy misy tsiny sy mahitsy ary mijoro amin'ny fahamarinana.

2- Ireo izay marina amin'ny fifandraisany amin'ny hafa.

Mba ahatsara ny fifandraisana amin'ny hafa dia halavirina nv fanendrikendrehana, ny fikasana hanisy ratsy ny namana sy ny fanalam-baraka ary ny fisakaizana tsy mba marina (and.3-4a). I Jesoa rahateo dia nampianatra antsika ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Raha marina ny fifandraisantsika amin'ny hafa dia tsy ho sahintsika ny hanao kolikoly.

3- Ireo izay marina amin'ny ataony.
Sahia manao fianianana hanohitra ny kolikoly ka aza mivadika amin'ny teny nomena (and.4b). Fadio ny fitiavam-bola tafahoatra fa fototry ny ratsy rehetra izany ka mety ahatafalatsaka amin'ny fanaovana kolikoly (and.5). Izay manao ny marina sy marina amin'ny ataony no mahatohitra ny kolikoly.

Fanontaniana:
Nahoana no misy tsy mahatana ny teny nomeny ny olona?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12