jeudi 16 novembre 2017

Alakamisy 16 Novambra 2017 - I Tes 4 : 13 - 18

13Ry havana, tianay ho fantatrareo ny marina momba ireo efa nodimandry mba tsy halahelovanareo toy ny olona sasany tsy manana fanantenana. 14Inoantsika fa maty i Jesoa ary efa nitsangana ho velona indray; inoantsika toy izany koa fa hoentin'Andriamanitra miaraka amin'i Jesoa ireo olona nodimandry tafaray amin'i Jesoa.

15Koa dia izao no lazainay aminareo araka ny voalazan'ny Tompo taminay: isika velona aina, sisa tavela amin'ny andro hiavian'ny Tompo, dia tsy hialoha an'ireo efa nodimandry tsy akory. 16Hisy baiko hatao antso avo ombàn'ny feon'arkanjely4.16 Ny teny hoe arkanjely dia ilazana anjely ambony laharana kokoa. sy ny feon-trompetran'Andriamanitra, ka ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra. Ireo olona maty tafaray amin'i Kristy* no hitsangana ho velona voalohany; 17avy eo, dia hakarina hiaraka amin'ireo ho eny amin'ny rahona koa isika velona aina sisa tavela, mba hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka; ary dia hiaraka amin'ny Tompo mandrakizay isika4.17 and 15-17: ampit 1Kôr 15.51-52.. 18Koa izany teny izany àry no aoka hifampiononanareo.

Valinteny nasetrin'i Paoly ho an'ireo miroa saina momba ny andro farany sy ny amin'ireo mpino efa nodimandry ity. Nambarany fa tsy tokony halahelo sy hifampionona ny mpino satria :

1- Manahaka an'i Jesoa Kristv
I Jesoa no efa maty sy nitsangana tamin'ny maty ary nasandratr'Andriamanitra. Hanahaka Azy toy izany koa ny mino. I Jesoa mivantana rahateo koa no efa nilaza fa, izay mino Azy dia tsy ho faty mandrakizay. Fototry ny finoana kristianina mihitsy ny fahafatesan'ny Tompo hamonjy ny olona sy ny fitsanganany tamin'ny maty. Fa "raha tsy misy fìtsanganana amin'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana. ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo" IKor 15, 13-14.

2- Ho any amin'ny Tompo mandrakariva
Tsy fanolorana tetiandrom-paminaniana momba ny andrò farany no nataon'i Paoly fa fampaherezana ny mpino. Aseho amin'ny antsipirihany kokoa eto ny momban'ny dia nalehan'i Jesoa araka ny Jaona 14, 1-3, fa handeha hamboatra fitoerana ho an'ny mino. Hotanteraka ny fifalian'ny mino satria tsy manam-pahatamperana intsony ny fiarahana amin'ny Tompo. Tsy hisy intsony fisedrana sy fizahan-toetra samihafa. Ambaran'i Paoly any amin'ny Fil 1, 23 fa "maniry hiala ka ho any amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany".

Fanontaniana :
Ahoana no fampaherezana tokony hataon'ny kristianina rehefa hamangy fahoriana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12