samedi 18 novembre 2017

Sabotsy 18 Novambra 2017 - Sal 27 : 7 - 14

7TOMPO ô, mba henoy ny feoko
raha miantso vonjy aminao,
ary iantrao aho ka valio.
8«Ndeha ianao, hoy ny foko amiko,
ndeha ianao mitady ny TOMPO.»
Izany indrindra no itodihako aminao.
9Koa aza mihodina amiko Ianao,
aza mandroaka ahy an-katezerana,
fa Ianao no efa namonjy ahy.
Aza arianao aho ary aza ilaozanao,
fa Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy.
10Raha nandao ahy ny ray aman-dreniko,
Ianao kosa, TOMPO ô, no nandray ahy.
11TOMPO ô, asehoy ahy ny lalana soritanao;
noho ny amin'ireo fahavaloko,
dia tariho amin'ny lala-mahitsy aho.
12Aza avela hanaram-po amiko ireo mpandrafy ahy,
fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kamely
sy mifofofofo erỳ mba hiampanga ahy.
13Inona ny amiko raha tsy natoky aho
fa hahita ny hatsarampon'ny TOMPO
eto amin'ity tany iainantsika ity?

14Mahandrasa ny TOMPO ianao!
Matanjaha ary mahereza fo;
eny, mahandrasa ny TOMPO!

Niharan'ny fanenjehana ihany koa I Davida, Mpanjaka ary voamarika amin'ny tononkira Salamo izany. Manoloana ny fanenjehana dia :

1- Mitadiava ny tavan'Andriamanitra (and.7-10)
Ny tavan'Andriamaiiitra dia hentitra ilazana ny fanatrehan' Andriamanitra na maneho ihany koa ny maha-Izy Azy an'Andriamanitra. Koa ny fitadiavana ny tavany dia maneho fìombonam-piainana feno amin' ny Tompo. Na ireo sokajin'olona akaiky toy ny ray aman-dreny aza mety dia mety hiala, fa rehefa miombom-piainana Aminy kosa isika dia tsy handao mihitsy na hahafoy akory Izy.

2- Araho ny lalàn'Andriamanitra (and.11-12)
Ny fiverenana amin'ny Tenin'Andriamanitra irery ihany no lalana marina tokony hizoran'ny mpino manoloana ny fanenjehana. Ny Teniny mantsy no amantarana ny sitrapony, ka ampandeferana ny sìtrapon'ny tena. Tsarovy mandrakariva ny manontany sitrapon'Andriamanitra araka ny Soratra Masina rehefa tojo ady sarotra.

3- Manantenà an'Andriamanitra (and.13-14)
Ny fiandrasana an'ì Jehovah hamonjy amin'ny fahavalo (and. 14), dia mifono fanantenana mandrakariva. Alefa mialoha eto ny fanantenana fa hoavy ny Tompo hiantsehatra, ka hamonjy amin'ny tanan'ny fahavalo. Ny fiandrasana ny fiavian'ny Mesia dia fanantenana lehibe ho an'ny mpino fa mitondra famonjena tokoa Izy. Ankehitriny dia mbola amin'ny fanantenana no hiandrasantsika azy ho avy amin'ny Voninahitra lehibe rahatrizay.

Fanontaniana :
Inona no fihetsika ataonao rehefa misy manenjika anao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12