dimanche 12 novembre 2017

Alahady 12 Novambra 2017 - Mika 7 : 7 - 10

7Fa izaho kosa mitodika amin'ny TOMPO
ary manantena an'Andriamanitra mpamonjy ahy,
fa hihaino ahy ilay Andriamanitro.

8Aza mihomehy ny aminay ianareo fahavalonay7.8 Ny mpaminany eto dia miteny amin'ny anaran'ny vahoaka israelita tao Joda (izany no nanovana ny mpisolo anarana ho milaza maro); fa eo amin'ny and 11-13 kosa izy dia miteny amin'ny vahoaka jodeanina. –ry fahavalonay: angamba i Edôma no resahina eto (jereo Hôb 12) na fahavalo amin'ny ankapobeny.!
fa na lavo aza izahay, dia mbola hiarina;
ary na mipetraka ao amin'ny maizina aza izahay,
dia ny TOMPO no fahazavana ho anay.
9Satria efa nanota tamin'ny TOMPO izahay,
dia hozakainay ny fahatezerany,
mandra-piarony ny adinay
ka hanomezany rariny anay.
Hamoaka anay ho eo amin'ny mazava Izy
ka ho finaritra izahay hahita ny soa nataony taminay.
10Hahita izany ny fahavalonay
ka ho rakotry ny henatra,
dia ireo niteny taminay hoe:
«Aiza ihany ny TOMPO Andriamanitrareo?»
Ho finaritra izahay hahita azy ireo,
fa amin'izay dia ho tonga fanosy
toy ny fotaka eny an-dàlana izy.

Miandrasa ny famonjen'ny Tompo

Nahoana tokoa moa isika no miandry ny famonjen' Andriamanitra? Satria:

1- Mihaino ny fitarainan'nv mila voniv Izv (and 7)
Eo amin'ny and 5-6 día ambaran'ny Soratra Masina amintsika fa na dia ny olona mifanakaiky sy mifamato- piainana indrindra aza dia tsy afaka mifampihaino intsony satria tsy misy ny fifampitokisana. Ny olona rahateo dia tsy mahavonjy tena ka izany no tsy maintsy iandrasana ny famonjen'Andriamanitra. Izy no hany afaka ny hiaino ny fitarainan'ny mila vonjy ka antony nanirahany ny Zanany lahitokana hiara-monina amintsika. Miantoraha amin' Andriamanitra amin'ny alalan'i Jcsoa Kristy fa mihaino ny fitarainan'izay rehetra mila vonjy Aminy Izy.

2- Manarina ny lavo Izv (and 8-9)
Lavo noho ny fahotana ny Isiraely. Lasan-kobabo noho izany izy ireo. Ny fahababoana dia toy ny aizina nandrakotra ny fiainan'izy ireo. Tsy mba manao tsindrio fa lavo anefa Andriamanitra na mamela ny aizina handrakotra hatrany ny fiainan'ny olony. Manarina ny lavo sy mandresy ny aizina Izy rehefa miaiky ny maha- mpanota antsika isika ka tsy mihirim-belona amin'ny fahotana (Mar 2.17). Hamarinina maimaim-poana ao amin'i Jesoa Kristy ny mpanota mibebaka ka mitafy toetra sy fiainam-baovao ao Aminy.

Fanontaniana:
Omeo ny toko sy andininy manambara fa i Jesoa no fahazavan'izao tontolo izao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12