dimanche 19 novembre 2017

Alahady 19 Novambra 2017 - Isa 25 : 9 - 12

9Amin'izany andro izany no hilazana hoe:
«Indro ny Andriamanitsika.
Nanantena Azy isika, hany ka novonjeny.
Eny, Izy no TOMPO nantenaintsika,
koa mifalia sy miravoa isika fa novonjeny!
10Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity
ny tanam-piarovan'ny TOMPO!»

Fa i Môaba kosa hohosihosena eo amin'ny toerany
toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano25.10 Ny amin'i Môaba dia jereo Is 15.1 sy nta..
11Ao izy no hitsiparaka tanana
toy ny fanaon'ny mpilomano;
nefa hampietry ny avonavon'i Môaba ny TOMPO
na dia eo aza ny hamailaky ny tanany.

12Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Môaba,
dia efa nazeran'ny TOMPO sy narodany
ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka.

Vao omaly no nahitantsika fa midika fanantenana ny fiandrasana an'i Jehovah. Koa misongadina eto :

Ilay Andriamanitry ny fanantenana,

1- Mitondra famonjena
Any am-pahababoana ny vahoakan'i Joda no ampanantenana fa ho avy ny Mpanjaka hanafaka azy ireo (24, 23). Sary ilazana ireo fahavalo rehetra manodidina ihany i Moaba, koa na dia manana manda sy fiarovana mafy sy avo aza ireny, dia tsy hisv hahajanona eo anatrehan'i Jehovah. Tsy fandresena ho an'ny vahoakan'i Joda fotsiny, araka izany, fa fandresen'Andriamanitra mihitsy. "Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?"

2- Mitondra fifaliana
Tsy afa-misaraka amin'ny fahazoana Mpanjaka ny fety lehibe ombam-pifaliana (ISam 11,15 ; IMpa 1, 25). Na dia babo aza dia ampanantenana fanasana lehibe ao an- tendrombohitra Ziona: hisotro divay efa niotrika ela, hihinana ny matavy, tsy hisy ranomaso, ho foana ny fahafatesana (and 6-8). Sarin'ilay fiainana mandrakizay ao amin'ny Tompo no ambara eto. Endriky ny fahasoavan' Andriamanitra atolotra ny mpino izay mahatoky sy marina ao aminy ny fifaliana maharitra sy mandrakizay ary santarina dieny ankehitriny. Koa manana fanantenana ary "aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika".

Fanontaniana:
Inona no fanantenana ampanantenan'Andriamanitra eto?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12