vendredi 17 novembre 2017

Zoma 17 Novambra 2017 - Sal 119 : 33 - 40

33TOMPO ô, atoroy ahy ny lalànanao ho sori-dàlako
mba hanarahako azy hatramin'ny farany.
34Ataovy mahira-tsaina aho hanarahako ny lalànanao,
sy hitandremako azy amin'ny foko manontolo.
35Ampizory amin'ny sori-dàlan'ny didinao aho,
satria izany no fahafinaretako.
36Ampirony amin'ny baikonao ny foko
fa tsy amin'ny fitiavan-karena.
37Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana;
velomy amin'ny sori-dàlanao aho.
38Tovy amin'ny mpanomponao ny hafatrao
izay nataonao ho an'ny mpanaja Anao.
39Halaviro ahy ny fahafaham-baràka atahorako,
satria tsara ny fitsipikao.
40Indro maniry ny fepetranao aho,
koa velomy ao amin'ny fahamarinanao.

Ny Salamo 119 día maneho ny fankalazan'ny mpino ny Tenin'Andriamanitra. lo Tenin'Andriamanitra io rahateo no maneho ny fifandraisana lalina sy maharitra eo amin'Andriamanitra sy ny mpino. Fifandraisana roa lafy no hita eto amin'ity mofonaina ity, ka misy ny :
1- Anjaran' Andriamanitra
Ny tapany voalohany isaky ny andininy dia mitodika hatrany amin'Andriamanitra. Ambara fa Andriamanitra no Tompon'ny Teny, koa mitodika Aminy ny mpanompony. Samy entina ilazana io Teny io avokoa na didy, na lalána, na lalán'ny didy, na teni-vavolombelona, na fitsipika. Manana anjara amin'ny fifandraisan'ny mpino amin' Andriamanitra ny Soratra Masina. Ny vavaka no ifandraisantsika Aminy fa ny Teniny kosa no itenenany amintsika. Koa omeo anjara toerana lehibe ny Soratra Masina hampitohy hatrany ny fifandraisana.
2- Anjaran'ny olombelona
Ny tapany faharoa isaky ny andininy kosa, dia maneho fahavononana feno avy amin'ny mpino amin'ny fanarahana izay ambaran'ny Soratra Masina. Ny fitozoana hatramin'ny farany amin'ny fankatoavana ny ambaran'ny Soratra Masina no miantoka ny famonjena ho an'ny mpino rahatrizay. Eo am-piandrasana ny fíhavian'ny Tompo dia tarihina isika tsy hamaky na hihaino fotsiny ny Soratra Masina fa ho mpankato izany, satria ndrao hamitaka ny tena hoy ny Jakoba 1.22.
Fanontaniana:
Ny vavaka sa ny Soratra Masina no manan-danja kokoa?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12