samedi 11 novembre 2017

Sabotsy 11 Novambra 2017 - Sal 37 : 1 - 8

1 Nataon'i Davida.

ALEFA
Aza tezitra amin'ny mpanao ratsy
ary aza mialona ireo mpanao heloka;
2fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo,
toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina.

BETA
3Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara,
dia honina amin'ny tany nomeny ianao
ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.
4Aoka ny TOMPO no hiravoanao,
dia homeny anao izay irîn'ny fonao!

GIMELA
5Ankino amin'ny TOMPO ny fiainanao,
ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.
6Ny rariny anananao hasehony
ho toy ny mazavatsinanana;
ny zo tandrify anao haharihariny
ho tahaka ny mitataovovonana.

DALETA
7Aoka hitombina tsara eo anatrehan'ny TOMPO
ka hiandry Azy amim-paharetana ianao!
Aza tezitra amin'izay mahomby,
dia amin'ny olona manao fetsifetsy.

HE
8Ialao ny hatezerana, avelao ny havinirana;
aza misafoaka fa loza no hiafaran'izany.

Vavolombelona miandry ny Tompo

Mahalasa eritreritra ihany ny mahila fa toa ambinina ny ratsy fanahy eto amin'izao fiainana izao. Tsy vitsy ny olona izay miezaka ny mandeha amin'ny fahamarinana no mila ho ketraka eo anatrehan'izany. Ho fampaherezana antsika indrindra ity Salamo ity. Vavolombelona miandry ny Tompo isika ka mijoroa hatrany amin'ny fahamarinana.

1- Andriamanitra hatrany no aoka ho anton'izav hatao rehetra
Tarihin'ny mpanao Salamo isika mba hanao an' Andriamlanitra ho ivon'izay hetsika rehetra ataontsika. Taomina isika hahatoky an'Andriamanitra, hiravoravo Aminy, hanankina ny fiainantsika Aminy, hiandry ny famonjeny. Jesoa sy ny hazofijaliany irery ihany no banjino mba hahafahantsika mifikitra amin'ny fahamarinana sy manao izany eo anivon'izao fiaraha- monina hanjakan'ny ratsy fanahy izao.

2- Hisy valiny tsara nv fijoroana amin'ny fahamarinana
Mandalo ny fahafinaretan'ny ratsy fanahy (and 1-2). ahazo valim-pitia maharitra sy mateza kosa izay sahy mijoro amin'ny fahamarinana noho nv fahatokiana an'Andriamanitra. Honina amin'ny tanin' I  izy (and 3b), henoin'Andriamanitra ny fangatahany (and 4), Andrimanitra no miasa eo amin'ny fiainany (and 5b-6).

Fanontaniana :
Inona avy ireo lesona azo tsoahina eo amin'ny and 7-8?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12