mardi 14 novembre 2017

Talata 14 Novambra 2017 - Jao 4 : 19 - 26

19Dia hoy ravehivavy taminy:
–Hitako, Tompoko, fa mpaminany* Ianao! 20Ireo razanay Samaritanina dia nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo Jiosy kosa milaza fa any Jerosalema4.20 Voailika tsy ho anisan'ny ankohonambe jiosy intsony ny Samaritanina ka nanorina tempoly teo amin'ny tendrombohitra Gerizîma, tendrombohitra akaikin'i Sekema renivohitra taloha. –any Jerosalema: ampit Sal 122.1-4. no tsy maintsy ivavahana.

21Fa izao no tenin'i Jesoa taminy:
–Minoa Ahy ianao, ramatoa! Avy ny andro izay tsy hivavahana amin'ny Ray eto amin'ity tendrombohitra ity na any Jerosalema intsony. 22Ianareo Samaritanina* dia mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; fa izahay Jiosy kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria mipoitra avy amin'ny Jiosy ny famonjena4.22 Ampit Is 2.3; Rm 9.3-4.. 23Kanefa, ho an'ireo tena mpivavaka, dia avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hivavahany amin'ny Ray araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina; satria ny mpivavaka aminy araka izany no tadiavin'ny Ray. 24Andriamanitra dia Fanahy, ary ny mpivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina.

25Dia hoy ravehivavy tamin'i Jesoa:
–Fantatro fa misy Mesia* anankiray ho avy, dia Ilay atao hoe Kristy*! Ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.

26I Jesoa kosa nilaza taminy hoe:
–Izaho Izay miresaka aminao no Izy!

I Jesoa izay andrasana
Nitory tamin'ny vehivavy Samaritana iray î Jesoa. Niezaka nandresy lahatra Izy. Nambarany tamin'ity vehivavy ily ny marina. Nampahafantatra i Jesoa fa:

1- Izy no tsy maintsy inoana (and 21)
Maneke Ahy. matokia Ahy. Tarihin'ny Tompo ho amin'izany ity vehivavy miresaka Aminy ity. Ny mahazatra azy mantsy dia ny mivavaka amin'izay andriamanitra tsy fantany. Hitany ankehitriny Ilay Andriamanitra tokony inoana ka dia taomin'ny Tompo izy handray ny fanambaràny. Minoa Ahy hoy i Jesoa. Anio no itaoman'ny Tompo antsika mba hino Azy sy ny fanambaràny . Atsaharo hatreo ny finoanoam-poana. Mampahafantatra ihany koa i Jesoa fa:

2- Andriamanitra irery ihany no ivavahana (and 23)
Ny tena mpivavaka dia izay mivavaka amin' Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy. Lamina efa napetrak'Andriamanitra hatrany amin'ny andron'ny Testamenta Taloha izany. "Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany" hoy Izy (Eks 20,3). Misafidiana hivavaka amin'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy ary aoka hivavaka Aminy amin'ny fanahy sy fahamarinana marina tokoa isika mandra-pihavin'ny Tompo. Na iza na iza dia samy antsoin'i Jesoa hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy fahamarinana sy hino Azy ho ny Mpamonjy.

Fanontaniana :
Hatraiza no hanekena ny filazan'ny sasany hoe: Andriamanitra iray ihany no ivavahana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12