mercredi 15 novembre 2017

Alarobia 15 Novambra 2017 - Isa 40 : 9 - 11

9Ry vahoakan'i Tsiôna*
nanankinana vaovao mahafaly ô,
miakara eny an-tendrombohitra avo;
ry vahoakan'i Jerosalema
nanankinana vaovao mahafaly ô,
ingao mafy ny feonao ka aza matahotra.
Lazao amin'ireo ao tanànan'i Joda hoe:
«Indro Andriamanitrareo.
10Indro ny Tompo ANDRIANANAHARY tonga amin-kery
sady manana ny fahefana hanjaka.
Ny vahoaka, hoentiny miaraka aminy, no ho karamany
sady eo anoloany ho valin-kasasarany40.10 Toa filazana ireo Jiosy voasesitany tao Babilônia izany. –Momba ny faran'ity and ity, dia jereo 62.11; Apôk 22.12..
11Tahaka ny mpiandry* ondry
miandry ny andian'ondriny Izy
ka manangona ireny amin'ny baikon-tanany;
trotroiny eo an-tratrany ny zanak'ondry
ary roahiny miadana ny ampianahany40.11 Ampit Ezek 34.15; Jôh 10.11..»

Mandra-pihavin'ny Tompo
Hafatra miantefa manokana amin'ny Fiangonana ny hafatra eto. Isika Fiangonana ankehitriny mantsy no tondroina amin'ny hoe Ziona na Jerosalema eto. Miandry ny tiavian'ny Tompo isika kaneta koa mamita iraka mandra-pihaviny. Noho izany:

1- Torio hatranv ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy (and 9-10)
Ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy maty sy nitsangana tamin'ny maty ka nandresy ny fahafatesana io teny soa mahafaly tsy maintsy toriana sy ambaran'ny Fiangonana io. Esory ny tahotra fa efa nomen'ny Tompo antsika ny fahefana, ary efa nataony eo ambavantsika Fiangonana ny Teniny. Mitsangána hitory izany Vaovao Mahafaly izany manerana ny nosintsika. Ambarao ihany koa ny tsy maintsy hihaviany indray hitsara ny olona rehetra.

2~ Lazao ny maha-mpiandrv Tsara Azy (and 11)
Asongadina eto ny maha-mpiandry tsara an' Andriamanitra. Tanteraka tao amin'i Jesoa tokoa izany (Jao 10).
Tsy zava-mahatahotra ho an'ny mpino ny fíavian'ny Tompo indray. Andró hisehoany amin'ny maha-Mpiandry tsara Azy izany mba hanangonany antsika ondriny ho andiany iray eo ambany fiandrasany. Amin'izay dia hiainantsika amin'ny fahafenoany tokoa izay voalazan'ny Sal 23.

Fanontaniana:
Ahoana no tokony hampiharan'ny Fiangonana io and 9 io eo amin'ny fanaovana tafika Masina?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12