jeudi 15 mars 2018

Alakamisy 15 Martsa 2018 - Apo 2 : 18 - 29

18–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Tiatira:
«Izao no lazain'ilay Zanak'Andriamanitra, dia Ilay manana maso mivaivay tahaka ny lelafo sady manana tongotra mangirangirana tahaka ny varahina manganohano: 19Fantatro ny asanao, ny fitiavanao, ny finoanao, ny fanompoanao, ary ny faharetanao; ary ny asanao farany izao dia be noho ny tany am-boalohany. 20Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela2.20 Jezebela: mety ho anarana ampiasaina an'ohatra fotsiny etoana. Jereo 1 Mp 16.31; 19.1-2; 2 Mp 9.22, 30. izay milaza ny tenany ho mpaminany, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin'ny sampy. 21Efa nomeko andro io vehivavy io hialany amin'ny toe-dratsiny, saingy tsy mety miala amin'ny fijangajangàny. 22Indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay nanitsakitsa-bady taminy dia hozoim-pahoriana lehibe, raha toa tsy miala amin'ny asa nampianarin-dravehivavy azy. 23Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo2.23 Jereo Sal 7.10; Jer 17.10; Sal 62.13..

24«Fa ianareo sisa rehetra amin'ny Fiangonana any Tiatira dia tsy nanaraka izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe ‹hevi-dalin'i Satàna2.24 hevi-dalin'i Satàna: fomba filazàn-javatra mampahatsiaro ny fampianarana miafina voatokana ho an'ireo tena miroso amin'ny antokom-pivavahana Nikôlaîta.›; ka izao no lazaiko aminareo: tsy hovesarako entana hafa ianareo; 25fa izay anananareo no tano mafy mandra-piaviko.

26-28«Izay maharesy ka mitandrina ny hanao ny asako hatramin'ny farany, dia homeko fahefana toy izay efa noraisiko tamin'ny Raiko: homeko fahefana amin'ny firenena izy, ka hifehy azy amin'ny tehim-by ary hanorotoro azy toy ny vilany tany. Homeko an'izay maharesy koa ny kintana
fitarikandro2.26 Jereo Sal 2.8-9; ampit Nom 24.17; Apôk 22.16..

29«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

Taratasy ho an'ny Fiangonana any Tyatira milaza ny asany sy ny fanaony. Miseho ao fa misy tokoa ny olona omen'ny Tompo fotoana hibebahana nefa tsy tnandroso. Tsy mangina ny Tompo fa mahari-po ka manarina azy noho ny fitiavany.

1- Mitarika azy hanompo
Ny asa fanompoana efa nataon'ny fiangonana dia niharihary eo anatrehan'Andriamanitra. Nanao asa lehibe noho ny teo aloha ny tao Tyatira. Jesoa efa nampianatra fa hanao asa lehibe ny Fiangonana rehefa tsy ety antany intsony izy. Mitarika antsika hanatanteraka ny anjarany avy saingy tsy tokony haroharoana faharatsiana satria tsy zakan'Andriamanitra ny fivoriana masina afangaro amin'ny fanompoantsampy tahaka an'i Jezebela.

2- Manarina nv lavo
Ny fíbebahana ihany no endrika fanarenan'ny Tompo ny lavo. Manan-kery hamafana ny heloka sy ny fahotana rehetra ny sorona nataon'ny Tompo tamin'ny tenany, dia ny nandatsahany ny ràny ho fanavotana antsika. Tiany handresy ny faharatsiana sy ny tsy fahamarinana rehetra isika ka omeny ny teniny ho fanarenana. Aoka hivelona amin'ny Teniny ny fìnoantsika, ny asa fanompoana dia hatao mifanaraka amin'ny sitrapony ao amin'ny Soratra Masina rahateo hanamarika fa mpanompony isika.

Fanontamana :
Misy zavatra hafa omentsika lanja miaraka amin'ny fanompoana ve ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12