samedi 17 mars 2018

Sabotsy 17 Martsa 2018 - Sal 25 : 4 - 11

4TOMPO ô, ampahafantaro ny lalanao aho
ary ampianaro hiaina araka ny sitrakao.
5Tariho amin'ny fahamarinanao aho ka ampianaro,
satria Ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy
sady hany ianteherako isan'andro.
6Tsarovy, TOMPO ô, fa hatrizay hatrizay
dia be indrafo sy be fitiavana Ianao.
7Koa hadinoy ny fahotako, fony aho tanora;
eny, hadinoy re izay hadisoana vitako;
nefa mba tsarovy kosa aho, TOMPO ô,
satria be fitiavana sy tsara fo Ianao.

8Tsara fo sy mahitsy tokoa ny Tompo
ka ny mpanota toroany lalan-kaleha,
9ny ory tarihiny amin'ny hitsiny
sady ampianariny ny sitrapony.
10Ny torohevitra rehetra ataon'ny TOMPO
dia maneho fitiavana tsy miova
ho an'izay manaraka ny baiko
raketin'ilay fanekempihavanany.
11TOMPO ô, mba ho voninahitrao,
dia avelao ny heloko na lehibe aza.

Mivavaka amin'ny tlnoana ny mino

Salamo abidy fampiasa andavanandro sy amin'ny fanomjoam pivavahana teo amin'ny Isiraelv ity Salamo ity. Manao vavaka i Davida eo amin'ny andininy faha 4 - 7; arv ny andininy faha 8-15 dia fanambarany ny fahalalana sy fahatokiana an'Andriamanitra.

1- Mibebaka nv olona matahotra an'i Jehovah
Mibebaka izay matahotra an'i Jehovah. Mibebaka ny amin'ny fahotana vitany izy (and II). Mizara roa ny fotoana nanotany ka ibebahany: tamin'ny andron'ny fahatonorany ary amin'izao itenenany izao. Tsy ampy ny mijanona eo amin'ny fiaiken keloka fa mandroso sy miaina amin'nv fiainana vaovao. Mangataka hizotra amin'ny tenin'Andiiamanitra na ny làlan'i Jehovah (and 4). Mangataka ny fampianaran'Andriamanitra ny fahamarinana sy ny fanantenana izy (and 5). Matoky ny Tompo ny mpanompony fa tsy miova i Jehovah.

2- Mahatokv sy marina Andriamanitra
Miorina amin'ny finoana an'Andrìamanitra ny vavaka ataony. Manana fanekem-pinoana matotra ny mpanao Salamo ka ilazany an'Andriamanitra. Tsara sy mahitsy i Jehovah (and 8) ; marina sy mamindra fo (and 10). Tsy masiaka ainin'izay matahotra azy Izy ary mampianatra nv mpanota handeha amn'ny fahamarinana. Io toetran' Andriamarhra tsy reraka mampianatra sy mandefitra io no fanantenan'ny mpanota sy ny diso làlana ka te hiverina Aminy. Raisiny izay rehetra manatona azy.

Fanontaniana :
Tena manaiky hampianarin'Andriamanitra ve isika kristiana ankehitriny raha mibebaka ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12