mercredi 21 mars 2018

Alarobia 21 Martsa 2018 - Lio 15 : 1 - 7

1Fatra-panatona an'i Jesoa avokoa ny mpamory hetra sy ny mpanota mba hihaino Azy. 2Hany ka nimonomonona ny Farisianina sy ny mpahay lalàna nanao hoe:
–Rangahy io ny mpanota no ifandraisany sy iarahany misakafo15.2 Araka ireo fepetran'ny mpampianatra jiosy, dia manjary maloto izay miara-misakafo amin'ireo malaza ho mpanotabe.!

3Koa ho azy Farisianina sy mpahay lalàna no nanaovan'i Jesoa ity fanoharana ity:
4–Lehilahy iza moa, araka ny hevitrareo, no manana ondry zato nahaverezana anankiray, ka tsy hamela eny an-kijàna ny 99 ary hiezaka hitady ilay tokana very mandra-pahitany azy? 5Ary rehefa hitany, dia entiny eo an-tsoroka an-kafaliana. 6Dia lasa izy mody any an-trano ary vorîny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: «Miaraha mifaly amiko fa ilay ondriko very dia hitako indray!» 7Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana any an-danitra amin'ny mpanota anankiray monja miala amin'ny toe-dratsiny fa tsy amin'ny olo-marina 99 tsy mila fialana amin'ny toe-dratsy.

Mahafaly ny Tompo ny fibebahana
1- Manatona nv Tompo ny olona mibebaka
Famaritana omen'ny Soratra Masina eto fa ny fanatonana an'i Jesoa Kristy no tena fibebahnna marina. Manapa-kevitra ireo mpamory hetra sy ny mpanota "nanatona ihaino an'i Jesoa"(and 1). Raisinv sv asandrany izay manatona sy mihaino nv teniny : "ataony eny an-tsoronv" (and 5). Mahafaly an'i Jesoa ny mahita ìndrav nv ondriny very, dia ny mpanota mibebaka. Tsy menatra izay manatena Azv i Jesoa. Tokana aman-tanv ny olona tsirairay ; tian'i Jesoa ka tsy maintsv mitady azv ireo izy.

2- Mitadv ny very ny Tompo
Maro nv olom-boavonjy, fa tena sarobidy omin'ny Tompo ny anankiray very amin'ny ondriny. Hamonjy ny olona rehetra mpanota sy very no antony manokana nidinan'Andriamanitra ety an-tany. tamin'ny alalan'i Jssoa Kristy. Mitadv ny maditranv i Jesoa. Tsy misy manana hevitra sy ho afaka mamonjy ny mpanota afa-tsy i Jesoa irery ihany. Manan danja sady sarobidy anin'i Jesoa ny olembelona. Mitady sy manangona ny very Izy.

3- Mifalv miaraka amin'nv Tomno nv anv an-danitra
Miomboni-pifaliana ny mponina any an danitra renefa mibebaka ny mpanota. Mampiray fifaliana ety an-tany sy ny any an-danitra nv fibebanana ao amin'i Jesoa Kristv. Isan'nv làlana ahatongavan'ny mpanota any an-danitra ny fíbebahana. Mahita antsika ny Tompo ao amin'ny fibebahana marina tokoa.

Fanontaniana :
Tena mifady amin'ny fibebahan'ny olona iray tokoa ve ny Fangonana ? Manomeza ohatra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12