mardi 20 mars 2018

Talata 20 Martsa 2018 - Mar 6 : 7 - 13

7Dia nantsoiny hankeo aminy ny 12 lahy ary nirahiny tsiroaroa ka nomeny fahefana handroaka ny fanahy maloto. 8Ary izao no hafatrafatra nataony taminy:
–Aza mitondra na inona na inona rehefa handeha, afa-tsy tehina; aza mitondra vatsy na kitapom-batsy na vola am-paosy; 9manaova kapa ary aza mitondra akanjo hisoloana.

10Dia hoy koa Izy taminy:
–Izay trano hampandrosoana anareo no itoero mandra-pialanareo ny tanàna. 11Ary izay toerana tsy handraisan'ny olona anareo na tsy hihainoany anareo, dia ialao; ka ahintsano eo ny vovoka avy amin'ny tongotrareo6.11 Ny manintsana ny vovoka avy amin'ny tongotra ka nipetaka tamin'ny moron-tongotr'akanjo dia fihetsika enti-milaza fandaozana sy fisarahana tanteraka; afaka adidy amin'ireo olona natao hitoriany manko ny iraka. Ampit Asa 13.51; 18.6. ho fiampangana azy.

12Dia lasa izy 12 lahy ary nitory tamin'ny olona fa hoe tokony hiala amin'ny toe-dratsy. 13Demony maro no noroahiny ary marary maro no nohosorany diloilo6.13 Ampit Jak 5.14. ka nositraniny.

Miantso sy maniraka ny mpianany i Jesoa.

1- Hitory ny fibebahana
Hafatra ampitondrain'i Jesoa Kristy ho entin'ny mpianany ny antso ho amin'ny fibebahana. Ny fibebahana ambaran'i Jesoa Kristv eto dia ny famahana nv olombelona. izay fatoran'ny demomia sy ny fanahy maloto. Ireo no mamatotra nv olombelona tsv ho afa-manalona sy mibebaka eo anatrehan'i Jesoa Kristy. Tsy misy olona afaka mamaha fatorana nv tenany fa maniraka ny mpanompony i Jesoa hitondra fahafahana ho azv.

2- Maniraka ny mpianatra tsv handeha irery
Manambara ny fomba fiasa i Jesoa mba hahatongavan'ny mpanota ho amin'ny fìbebahana ary hitandremana amin'nv fanefana iraka. Tsy mandeha irery rehefa hitorv amin'ny tanàna sy vohitra. hamoaka fanahy maloto sy ny demonia; tsy hanana fanahiana amin'ny sakafo sy ny fítafìana fa hatoky nf fitantanan'i Jesoa Krisly. Izy no manome ny olona hampiantrano ny irany (and 10).

3- Manome fahefana nv mpianatra
Omen'ny Tompo fahefana ny irany mba hahatanteraka ny ny asanv. Mialoha nv handehanana dia omeny maimaimpoana izany fahefana izany fa tsy angatahina. Fahefan'i Jesoa Kristy no mandrava ny fahotana sy ny asan'nv demonia ao amin'ny olona na ny mpanota. Izanv koa no mahatonga ny iraka ho mahatoky sy hahatokv nv Tompo manoloana ny ady atrehany. Mampitombo isa ny mpino i Jesoa sady hampiantrano ny iranv.

Fanontaniana :
Ahoana no hitehirizana ny olona irahina ho mahatoky hatrany amin'ny asan'ny Tompo ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12