mardi 13 mars 2018

Talata 13 Martsa 2018 - Apo 3 : 1 - 6

1–Manorata ho an'ny anjelin'ny Fiangonana any Sardy:
«Izao no lazain'Ilay manana ny Fanahy Masina ombàm-panomezana fito avy amin'Andriamanitra sy mitana ny kintana fito: Fantatro ny asanao; fantatro fa malaza hoe velona ianao, kanjo maty. 2Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa efa mila ho faty, satria tsy nisy nahitako lavorary eo anatrehan'Andriamanitro ny asanao. 3Koa tsarovy izay fomba nandraisanao sy nihainoanao ny tenin'Andriamanitra ary dia tano izany ka ialao ny toe-dratsinao. Raha tsy miambina ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao3.3 Ampit Mt 24.43-44; Lk 12.39-40; 1Tes 5.2; 2Pt 2.10.. 4Kanefa eto Sardy ianao dia manana olona vitsivitsy izay tsy nandoto ny akanjony; ary miakanjo fotsy no hiara-mandeha amiko ireo, satria mendrika.

5«Izay maharesy dia hampiakanjoina akanjo fotsy toy izany koa; tsy hamono ny anarany ao amin'ny horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay Aho; ary hanaiky azy ho mpomba Ahy eo anatrehan'ny Raiko sy ny *anjeliny3.5 horonamboky... mandrakizay: ampit Fil 4.3. –hanaiky azy... anjeliny: ampit Mt 10.32; Lk 12.8..
6«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina amin'ireo Fiangonana.»

Anankiray amin'ny taratasy fito nalefa ho an'ny fiangonana fito no hita eto. Ny fiangonana tany Sardisy no nomena azy. Milaza ny olona maty fahavelony, izany hoe manondro ireo manaram-po amin'ny fanaovan-dratsy ny taratasy ka mitarika azy hanorina izay sisa tsy maty.

1- Sarobidy ny fihaonana amin'nv Tompo
Izay efa nihaona tamin'nv Tompo dia nesoriny tamin'ny fahalotoana tanteraka. Toy ny olona nanasa ny akanjony mba ho fotsy sy madio izany. Paoly Apostoly rehefa niova fo dia mitondra anaram-baovao nasehon'ny Tompo azy nv fahefany aminy ary lasa mpanompon'Andriamanitra na dia efa nanenjika ny mpianatry ny Tompo aza. Voaova ho olom-baovao izav manatona sy mibebaka marina eo anatrehan'Andriamanitra. Aokaa isika hanome lanja ny andro nanavaozan'ny Tompo ny fiainantsika sy nanekentsika ho tia sy hanompo Azy.

2- Mampaherv nv fiaraha-mandeha Aminv
Miara-mandeha amin'ny Tompo mitafy lamba fotsy ireo tsy nandoto ny fìtafiany. Miara-mandroso amin'ireo koa isika raha maharesy ny fitaoman-dratsy sy ny fakam- panahy alefan'ilay ratsy handotoany antsika. Voasoratra anarana eo amin'ny bokin'ny fiainana izay vita fìhavanana sy efa miara-mandeha amin'ny Tompo. Mampaherv antsika hanatona hodiovin'ny Tompo amin'ny ràny mba ahazo famelan-keloka sady hotantanany amin'izay hatao. Mivavaka sy manao ny sitrapon'ny Tompo ny mpanomponv ka hita ho vavolombelon'nv finoana Azy.

Fanontaniana :
Tsapanao ve izay zava-mahagaga nataon'ny Tompo tamin'ny fiainanao ?



Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12