mercredi 14 mars 2018

Alarobia 14 Martsa 2018 - Joe 2 : 12 -13

12Hoy ny teny hentitry ny Tompo:
«Dieny ankehitriny,
miverena amiko amin'ny fonareo manontolo:
mifadia hanina, mitomania
ary manaova fitalahoana.
13Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina
fa ny fonareo indrindra no ovay.»
Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo:
Fa miantra sy mamindrafo Izy
mahari-po sady be fitiavana
ary mamoy ny loza nandrahonany.

Fanaon'ny jiosy rehefa tonga ny loza, ny mandriatra ny fitafiany sy misikina lamba fisaonana ho fanehoany ny alahelony toy ny ftbebahany sy fitondrany ny fifonany eo amin'Andriamanitra tahaka ny ataon'i Jakoba (Gen.37, 34). Misy endrika telo fiverenana amin'ny Tompo amin'ny fo rehetra eto :

1- Mifady hanina
Manokàna fotoana hifantohana amin'ny maha- mpanompon'Andriamanitra. Fa zava-dehibe ny manokana fotoana hivavahana sy hanaovana fifadian- kanina raha hiatrika zava-tsarotra tahaka ny nataon'i Estera rehefa namonjy ny fireneny izy (Est.4, 16). Ny fifadian-kanina nampianarin'i Jesoa ny mpianany dia fifadiana mialoha ny ady hatao amin'ny devoly.

2- Mitomanv noho nv fahotana vita
Endrika fibebahana lalina ny ranomaso tahaka ny an'ilay vehivavy niankohoka teo an-tongotry ny Tompo sady nanosotra menaka manitra. Mandray ny famonjena satria tena mahatsapa ny fahotana vita na ny fahadisoana natao dia miverina amin'ny ranomaso.

2- Mitaraina noho ny antso voniv
Ireo marary nitady fanasitranana tahaka ireo boka nifanena tamin'i Jesoa dia nitaraina hoe : « mamindra fo aminay ry zanak'i Davida o ! » Nanao antso vonjy izy raha nitaraina mba hahazo fanasitranana.

Fanonlaniana :
Inona tamin'ireo no efa nataonao raha nibebaka ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12