vendredi 16 mars 2018

Zoma 16 Martsa 2018 - II Sam 24 : 10 - 17

10Nahatsiaro ny tenany ho meloka i Davida taorian'ilay fanisam-bahoaka; ka hoy izy tamin'ny TOMPO:
–Fahotana lehibe no vitako tamin'izao nataoko izao. Koa ankehitriny mifona aminao aho, TOMPO ô, mba avelao ny heloko fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.

11Rehefa nifoha i Davida ny ampitso maraina, dia tonga tamin'i Gada mpaminany mpanolotsain'i Davida ny tenin'ny TOMPO nanao hoe:

12–Ndeha ambarao amin'i Davida hoe: «Izao no lazain'ny TOMPO: Famaizana telo no ataoko eo anoloanao, koa fidio izay iray hampihariko aminao.»

13Dia nankany amin'i Davida i Gada ka nanambara taminy ny hafatr'Andriamanitra nanao hoe:
–Mosary fito taona hamelezana ny taninao ve no tianao, sa ny handosiranao telo volana eo anoloan'ny fahavalo izay manenjika anao, sa aretina pesta mandritra ny telo andro eto amin'ny taninao? Koa saino sy hevero tsara izay valin-teny hoentiko amin'Ilay naniraka ahy.

14Ary hoy i Davida tamin'i Gada:
–Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon'ny tanan'ny TOMPO, toy izay ho azon'ny tanan'olona, satria lehibe tokoa ny famindrampon'ny TOMPO.

15Dia aretina pesta no nalefan'ny TOMPO hamelezana an'i Israely iny maraina iny ka mandra-pahatapitr'ilay fe-potoana, ary nahafatesana fito alina ny olona manomboka any Dana ka hatrany Bery-Seba. 16Fa raha naninji-tanana hamely an'i Jerosalema ny anjelin'ny Tompo, dia nanenina ny amin'ny loza ny TOMPO, ka niteny tamin'Ilay anjely mpandringana hoe:
–Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny!

Tamin'izay ity anjelin'ny TOMPO dia teo amin'ny famoloan'i Araonà, ilay Jebosita24.16 Jebosita: taranaky ny mponin'i Jebosa, izay anarana nentin'i Jerosalema talohan'ny nahazoan'i Davida azy.. 17Raha nahita ilay anjely mpandringana ny vahoaka i Davida, dia nanao tamin'ny TOMPO hoe:
–Izaho no nanota, izaho no nanao ratsy! fa ireo ondry ireo moa no nanao inona? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako.

Ny fibebahan'i Davida

1 - Fahatsiarovan-tena fa nanota
Noho ny fahatezeran' I Jehovah tamin'ny Isiraely dia nanisa ny vahoakany i Davida. Lazaina ao amin'ny Tantara fa hevitra avy amin'i Satana no nahatonga an'i Davida hanisa ny olona (1 Tant 21, I). Mahatsiaro tena ho diso i Davida rehefa nandrav nv tatitry nv fanisana (and 9). « Efa nanota aho hoy i Davida ». Nampaniraka ny mpitari-tafika, izay efa nisalasala: « ahoana no ìtiavan'ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany» (and 3) izy. Tsaroan'i Davida fa feno fireherehana ny fony ny amin'ny herin'ny tafíka. Isan'ny lehilahy mahery no azo fa tsy ny vahoaka. Ny mpisorona sy ny Levita mpanao fanompoana aza tsy fantatra. Adinony Ilay Jehovah Mahery Tsitoha sy manome fandresena (Sal 24, 8).

2- Fifonana amin'i Jehovah
Mety tokoa hisy asa tanteraka eo amin'ny fiangonana sy ny firenena fa tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra. Mitondra ho amin'ny fibebahana ny fanaovana tombana ny asa natao sy ny fandinihan-tena. Na iza na iza eo amin' nv Isiraelv dia ambany fahefan'i Jehovah avokoa. Izany no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'nv mpahitan'i Davida (and 11). Fianarana ho antsika ny faikena sy ny fifonana nataon'i Davida (and 101. Tsy miandry loza na kapoka isika na porofo vao hibebaka. Mampibebaka nv fihaonana amin'Andriamanitra sy ny Teniny. Mibebaha eo anatrehany ao amin'ny mangingina (Mat 6, 6).

Fanontaniana :
Iza na inona no mitondra antsika hibebaka ?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12