samedi 24 mars 2018

Sabotsy 24 Martsa 208 - II Tan 30 : 1 - 9

1-5Ny mpanjaka Hezekià sy ny manampahefana ary ny mpiangona rehetra tao Jerosalema dia niara-nandinika momba ny tokony hankalazana ny Paska amin'ny volana faharoa30.1 Jereo Nom 9.1-13.. Tsy nisy nahafahana nankalaza izany tamin'ny vaninandro manandrify30.1 Izany hoe mandritra ny volana voalohany amin'ny taona, jereo Eks 12.1-11., satria tsy mbola ampy isa ireo mpisorona nahavita ny fidiovan-tenany; ary ny vahoaka koa tsy mbola vory tao Jerosalema. Sitraky ny mpanjaka sy ny mpiangona rehetra izany eritreritra izany; ka tapaka ny hevitra fa handefasan-teny eran'i Israely manontolo hatrany Beera-Seba ka hatrany Dana mba hahatongavan'ny olona hankalaza ny Paska ao Jerosalema ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely. Vitsy manko ny olona nankalaza izany araka ny voasoratra. Dia nandefasan'i Hezekià iraka ny faritra rehetra amin'i Israely avaratra sy i Joda mba hanainga ny olona ho tonga ao an-tranon'ny TOMPO any Jerosalema ka hankalaza ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr'i Israely; nanoratra taratasy fanasana mihitsy aza i Hezekià ho an'ny foko efraimita sy manasita. 6Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin'i Israely sy i Joda, ombàn'ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin'ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy:

–Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin'ny famelezan'ireo mpanjakan'i Asiria, miverena amin'ny TOMPO Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. 7Aza manahaka ny ray aman-dreninareo sy mpiray tampo aminareo, fa nivadika tamin'ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy ireo ka dia natolony ho amin'ny faharavana araka izao hitanareo izao. 8Koa aza manamafy hatoka toy ny nataon'ny razanareo ianareo, fa manomeza toky hanompo ny TOMPO ka tongava ao amin'ny tempoliny izay efa natokany hanan-kasina mandrakizay; eny, manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo mba hialan'ny fahatezerany mirehitra aminareo. 9Fa raha miverina amin'ny TOMPO ianareo, dia hahazo famindrampo ireo mpiray firenena sy mpiray fianakaviana aminareo eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo, ka dia ho tafaverina indray amin'ity tany ity. Miantra sy mamindrafo tokoa manko ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hiambohoany ianareo raha miverina aminy.
10Dia notetezin'ireto iraka faingam-pandeha ny tanàna amin'ny faritra efraimita sy manasita ka hatrany amin'ny faritra zebolonita; fa nihomehezan'ny olona sy novazivaziny foana ireo.

« Miverena amin 'i Jehovah ry Isiraely »

1- Tandremo ny Paskan'i Jehovah
Fotoana "fanamasinana" ny tempoly sy ny mpisorona mpanao fanompoana ny Paska (ampitahao Nom 9,6-13). Manana anjara fanompoana manokana amin'ny fikarakarana an'i Jerosalema sy ny tempoly ny taranak'i Davida Mpanjaka. I Jerosalema no renivohitr'ny fiangonana sy ny firenen'ny Isiraely sy ny Joda ka mihevitra "ny hitandremana ny Paska amin 'ny volana faharoa ny mpanjaka sy ny fìangonana" (and 2).

2- Miverena amin'i Jehovah
Ny fiakaran'ny vahoaka rehetra manatona an'i Jerosalema no marikv ny fibebahana. Maniraka ny irany ny mpanjaka hitety ny tanin'ny Isiraely hiakaran'ny olona any Jerosalema. Mandrava ny fltsitokotokoan'ny foko roambinifolo amin'ny Isiraely no ataon'i Hezekia mpanjaka. Antsoina ny vahoaka sy ny mpisorona hanolo- tena amin'Andriamanitra, hiditra amin'ny fitoerana masina sy hanompo an'i Jehovah ao (and8).

3- Miantra sy mamindra fo i Jehovah
Ny fitiavan'i Jehovah lalim-paka ny Isiraely no handraisany ireo izay miverina sy mibebaka aminy. Ny mpambabo, ny Babyloniana izany, dia tsy ahazo mitazona izay te hiverina any Jerosalema. Fitiavana no miandry sy asetrin'ny Tompo izay mibebaka na miverina aminy. Mialoha mandrakariva izay mety ho fanenenan'ny olona sy ny fibebahan'ny olona ny famelan-keloka.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny toe-pon'Andriamanitra sy ny toe- pontsika mandray izay mibebaka?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12