lundi 19 mars 2018

Alatsinainy 19 Martsa 2018 - Heb 6 : 1 - 6

1Noho izany, aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana momba an'i Kristy, fa aoka isika handroso amin'ny fampianarana sahaza ny olon-dehibe. Tsy hoe fanorenana indray no hataontsika: dia ny tokony hialana amin'ireo asa mitondra fahafatesana sy ny tokony hinoana an'Andriamanitra, 2ny fampianarana momba ny batisa samihafa6.2 batisa samihafa: mety hilazana ireo fombam-pivavahana fidiovana fanaon'ny Jiosy sy fanaon'ny hafa firenena izany, na ny fombafomba isan-karazany arahina amin'ny fanaovana batisa kristianina, na koa ny fanavahana ny batisan'i Jôhany sy ny batisa kristianina (ampit Asa 18.25; 19.3-6). sy ny fametrahan-tanana ary momba ny fitsanganan'ny maty ho velona sy ny fitsarana mandrakizay. 3Fa ny mandroso amin'ny fampianarana sahaza ny olon-dehibe, izany no hataontsika raha avelan'Andriamanitra.

4Ahoana kosa ny amin'ireo niverina tamin'ny toe-dratsy? Efa nohazavain'Andriamanitra indray mandeha ireo, efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra ary efa nandray anjara tamin'ny Fanahy Masina, 5efa nahatsapa fa tsara ny tenin'Andriamanitra ary efa nahatsapa ny asa mahagaga vokatry ny fiainana ho avy, 6kanefa dia niverina tamin'ny toe-dratsy. Tsy azo havaozina indray ireo mba hiala amin'ny toetra ratsiny, satria manombo ilay Zanak'Andriamanitra amin'ny hazofijaliana indray sady manolotra Azy halàm-baràka6.6 Ampit 10.26..

Mandrosoa ao amin'i Kristy

1 - Mandao nv abidim-pianarana nv amin'i Kristv
Mampianatra ny fiangonana ny Apostoly mba hitombo amin'ny finoana sy ny fitondran-tena kristiana ka hiala amin'nv abidim-pianarana ny amin'i Kristy. Tarihana hitombo ao amin'i Kristv ny mino fa tsy ho mpanao tsianjerv ny asa famonjen'i Jesoa Kristy. Tanisaina eto ny fiandohan'ny fiainana kristiana: ny fibebahana. ny batisa, ny finoana an'Andriamanitra, ny fametrahan-tanana, ny fitsanganan'ny matv ary nv fiainana mandrakizay. Fiainan' « ny zaza bodo » hov, ny Hebreo 5, 13. Rehefa lehibe kosa izy dia mahav manavaka nv tsara sy ny ratsy sady manana safidy sy fanapahan-kevitra .

2 - Mandroso ao amin'i Jesoa Kristv
Vokatry ny fanazavana sy fandraisana ny fanomezana avy any an-danitra, dia ny Fanahy Masina, ny fitomboana ara- panahy (and 4). Fiainana ny fahatsaran'ny Tenin' ny Tompo ihany koa. Indray mandeha ihany ny fibebahana, izay marihana amin'ny Batisa. Indray mandeha ihany koa i Jesoa Kristv no manaiky homboana amin'ny hazofijaliana. Ny fiverenan-dàlana indray ho amin'ny fahotana dia mitovy amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina (Lio 12. 10). Miorena amin'ny fitiavana, dia ny fìfanompoana eo amin'ny samy mpino. Tohano ny kristiana sahirana, ka samy hanao izany tokoa amin'ny fifaliana (and 11). Mahavokatra tsara ho an'ny hafa izay nandray ny fitahian'ny Tompo. araka ny voatanisa teo.

Fanontaniana :
Ilain'ny Fiangonana tokoa ve ny fananarana mafy ataon'ny Apostoly tahaka izao ? Hazavao .

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12