jeudi 22 mars 2018

Alakamisy 22 Martsa 2018 - Mal 2 : 1 - 6

1-2«Izao no fampitandremana ataon'ny TOMPOn'izao rehetra izao aminareo, ry mpisorona:
–Raha tsy mihaino Ahy sy tsy miezaka ny hanome voninahitra ny anarako amin'ny fonareo ianareo, dia halefako hamely anareo ny ozona. Fa hovako ho ozona ny fitahiana nampanantenaiko anareo; eny, hataoko izany satria tsy tamin'ny fonareo marina no nandraisanareo ny didiko. 3Efa mandrahona sahady ny taranakareo Aho; ianareo kosa hamafazako tain-droroha eny an-tavanareo, dia ny tain-drorohan'ireo biby nataonareo sorona tamin'ny andro fety; ary hoesorina miaraka aminy koa ianareo. 4Dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no efa nampitandrina anareo mba haharetan'ny fanekempihavanako amin'ny levita2.4 Ny fanekempihavanana tamin'ny levita dia tsy voalaza mazava na aiza na aiza ao amin'ny Testamenta Taloha na Fanekempihavanana Taloha. Ny mifanaraka amin'izany dia izao: ny taranak'i Levỳ irery ihany no afaka manao ny asan'ny mpisorona.. 5Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana. Nomeko azy izany mba hanajany Ahy; ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. 6Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin'ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin'ny faharatsiana.

Omeo voninahitra ny anaran'i Jehovah

Taorian'ny fiverenana avy tamin'nv fahababoana tany Babylona dia nipoitra ny olona ara-tsosialy sy fihariana ary fivavahana teo amin'ny Isiraely (Mal 3.5). Tratran'ny tsy físian-kanina ny fìrenena, tsy nazoto tamin'ny fivavahana sy fanaterana fanatitra tao amin'ny tempoly ny fiangonana (Mal 1. 7-8). Nalaim-panahy ihany koa ny taranak'i Levy sy ny mpisorona ka nandao ny fanompoany ka nanao asa tany ivelany. Nafoin'izy ireo ny asa fisoronana voatokana ho azy irerv ihany.

1- Jehovah manozona izav tsv mibebaka
Tsy vahaolana amin'ny ozona mihatra ny fandaozana an' Andriamanitra sy ny ny fivavahana aminy. Efa mihatra izany ozona izany : ho faty ny ambioka : « hofenoiko lavenona ny lavanareo » ; ary ariana tahaka ny lavenona Isiraely (and 3). Vahaolana hialana amin'ny loza ny fibebahana avy amin'ny fihainoana ny tenin'ny Tompo.

2- Loharanom-pitahiana ny tenin'i Jehovah
Ny fanekena nataon'i Jehovah tamin'ny taranak'i Levy na ny mpisotona dia fiainana sy fiadanana. Nv fiainana ny fanekena no nitoeranv tao amin'nv fiadanana : fahamarinana. fahitsiana ary nitaominy ny isiraely ho amin'nv fibebahana. Miteny amin'ny mpisorona mpanao físoronana sy fanompoana ao amin'i tempoly i Jehovah. Miverena ho amìn'i Jehovah sy ny fanompoana Azv. Izany no làlan'ny fahamarinana : izanv no fialana amin'ny heloka ary izany no fanalana ny ozona sy ny tsy fahombiazana eo amin'ny firenena sy ny fiangonana.

Fanontaniana :
Ataovy ny fampiharana eo amin'ny fiangonana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12