vendredi 23 mars 2018

Zoma 23 Martsa 2018 - II Kor 7 : 5 - 10

5Na dia tonga tany Masedônia7.5 Ampit 2.13. tokoa aza izahay, dia tsy nisy hilaminanay mihitsy, fa nifandafaram-pahoriana izahay: teo ivelany, nisy ady namelezana anay; tao anatinay, nisy tahotra. 6Kanefa Andriamanitra, Izay mampahery ny ory fo, dia nampahery anay tamin'ny nahatongavan'i Tito; 7ary tsy ny nahatongavany ihany no nampahery anay, fa ny fampaherezana azony taminareo koa: notantarainy taminay fa maniry mafy hihaona amiko indray ianareo, sady nitomany noho ny zava-nitranga ary nazoto hanaiky ahy; ka dia vao mainka faly aho.

8Fa na dia nampalahelo anareo aza ny taratasy nosoratako7.8 Jereo 2.3 sy nta., dia tsy anenenako ankehitriny. Nanenenako ihany izany nony hitako fa noseranin'alahelo ianareo. 9Kanefa mifaly aho ankehitriny, tsy noho ny nampalahelovako anareo, fa noho ny alahelonareo nahatonga anareo hiala amin'ny toe-dratsy. Eny, alahelo araka an'Andriamanitra ny anareo, ka tsy nitondra fatiantoka avy aminay ianareo. 10Satria ny alahelo araka an'Andriamanitra dia mahatonga hiala amin'ny toe-dratsy7.10 hiala amin'ny toe-dratsy: jereo ny FTS ao amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA., mba hiroso amin'ny famonjena tsy anenenana; fa ny alahelon'izao tontolo izao kosa dia mahatonga fahafatesana.

Mahasoa ho fibebahana ny Soratra Masina

1- Mampionona ny Apostoly ny Tompo
Ady mafy no natrehan'nv Apostoly tamin'nv fitoriana ny Filazantsara sy ny fananganana fiangonana, tahaka ny tao Korinto. Fahoriana no itoriana sy itarihana ny fiangonana hitoetra amin'ny Tompo : ady. tahotra (and 5). Tsv avelan'ny Tompo hiasa irerv sy hiraviravy tànana nv mpanompony. Fampiononana lehibe ny fanirahan'ny Tompo an'i Titosy hanampy azy. Tahaka izany koa ny hafatry nentin'i Titosy amin'nv fanirian'ny fiangonana sy ny fanekeny nv Apostoly (and 7).

2- Nv Soratra Masina tsv anenenana
Manoratra ny Epistily ny Apostoly amin'ny fitondram- piangonana sy fitaizana ary ny fanabeazana ny kristiana tanv Korinto. Misy ny Epistilv voalohanv talohan'ity ka nampalahelo ny mpino tamin'izany (and 8 , jereo 2 Kor 2, 12-13). Ambara fa fampahalahelovina araka an' Andriamanitra ny Korintiana (and 9). Ny fandaminana sy ny fandrindram-piangonana dia hevitr'Andriamanitra hitarihana ny olona ho amin'i Kristy.

3- Nv Soratra Masina mampibebaka
Alahelon'ny fíangonana sy ny Apostoly no hitantsika eto. Nampibebaka, nampiova fo sy hevitra ny Korintiana ny Soratra ny Apostoly (and 10). Niteraka famonjena ny fanahin'ny mpino izany. Raiso am-pifaliana ny Tenin' Andriamanitra rentsika sy torina, na vakina fa mitondra famonjena tsy anenenana izany.

Fanontaniana :
Inona no fifandraisan'ny Soratra Masina sy ny fandaminam-piangonana ary inona no vokany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12