dimanche 4 novembre 2012
Alahady 04 Novambra 2012 - Gen 25 : 29 - 34
29 Teo am-pandrahoana sakafo indrindra i Jakoba indray andro, no tonga avy any an-tsaha i Hesao sady reraka mafy, 30 ka nangataka taminy hoe: -Mba omeo kely amin'io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin'ny anaram-bositra hoe Edoma na Ilaimena). 31 Dia namaly azy i Jakoba hoe: -Amidio amiko ary aloha ny fizokianao. 32 Dia hoy i Hesao hoe: -Inty hono aho ka ho faty, dia hataoko inona moa izay fizokiana? 33 Fa namaly indray i Jakoba hoe: -Mianiana amiko ary ianao izao anio izao. Dia nianiana taminy izy ka nivarotra tamin'i Jakoba ny fizokiany. 34 Ary nomen'i Jakoba mofo sy voanemba masaka i Hesao ka nihinana sy nisotro. Avy eo izy dia niainga ary lasa nandeha fa tsy niraharaha ny fizokiany.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...