vendredi 23 novembre 2012
Zoma 23 Novambra 2012 - Eez 18 : 5 - 9
5. ''Aoka hatao hoe misy lehilahy marina iray ka manao izay marina sy mahitsy. 6. Tsy mihinana amin'ny sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra izy na manompo ireo sampin'ny Israelita, tsy mandoto ny vadin'ny namany na matory amin'ny vehivavy voan'ny fadimbolana. 7. Tsy mitsentsitra na mangalatra izy fa mamerina ny antoka amin'ny mpitrosa, ary manome hanina ho an'ny noana sy fitafiana ho an'ireo tsy manana. 8. Tsy mampindram-bola mba hahazoana zana-bola sy tombony izy , tsy miray tsikombakomba amin'ny tsy marina fa manao fitsarana tsy miangatra. 9. Manaraka ny lalanako sy mitandrina ny fitsipiko izy mba hanao izay mahitsy. Olo-marina io lehilahy io ka ho velona tokoa. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...