mardi 20 novembre 2012

Talata 20 Novambra 2012 - I Mpa 21 : 1 - 16


1 Taorian'izany dia izao no nitranga: nisy lehilahy natao hoe Nabota tao Jizrehela, izay nanana tanimboaloboka teo akaikin'ny lapan'i Ahaba mpanjakan'i Samaria. 2 Dia niteny tamin'i Nabota i Ahaba indray andro nanao hoe: Omeo ahy ny tanimboalobokao hataoko zaridaina fambolena anana, satria mba akaikin'ny lapako izy; homeko tanimboaloboka tsara kokoa noho io ianao ho takalony, na koa homeko izay vola tokom-bidiny raha izany no mety aminao. 3 Fa hoy i Nabota tamin'i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan'ny TOMPO raha izay hanome anao ny lova avy amin'ny razako! 4 Ary nalahelo sady tezitra i Ahaba no niverina tao an-tranony, satria nilazan'i Nabota avy ao Jizrehela hoe: Tsy homeko anao ny lova avy amin'ny razako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nitodika tany amin'ny rindrina ary tsy nety nihinan-kanina. 5 Fa nanatona azy i Jezebela vadiny ka nanao taminy hoe: Nahoana no manjonitra toy izao ianao ka tsy mety mihinan-kaninay 6 Dia hoy ny navaliny azy: Nitenenako i Nabota avy ao Jizrehela hoe: Omeo ahy ny tanimboalobokao hovidiko na koa hatakaloko tanimboaloboka hafa, raha izany no mety aminao; fa namaly izy hoe: Tsy homeko anao ny tanimboaloboko. 7 Dia hoy i Jezebela vadiny taminy: Ny tenanao no manjaka amin'i Israely; koa miarena, dia mihinana, ary aoka hifaly ny fonao, fa ny tenako mihitsy no hanome anao ny tanimboalobok'i Nabota ilay Jizrehelita. 8 Dia tamin'ny anaran'i Ahaba no nanoratan'i Jezebela taratasy, ka nasiany tombon-kasem-panjakana ireny ary nalefany ho an'ny loholona sy ny manampahefana tao an-tanana nonenan'i Nabota. 9 Izao no voasorany tao amin'ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina ka i Nabota no asaivo mitarika ny vahoaka amin'izany. 10 Mifanatrika aminy eo kosa dia asio roa lahy mba hiampanga lainga azy ho nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka. Ary ento any ivelan'ny tanana izy ka torahy vato ho faty. 11 Ary ny loholona sy ny manampahefana tao an-tananan'i Nabota dia nanao araka ny baikon'i Jezebela tamin'ny taratasy nalefany ho azy ireo. 12 Niantso andro fifadian-kanina izy ka i Nabota no nasainy nitarika ny vahoaka. 13 Dia niroso teo anoloan'i Nabota ireo tsivalahara roa lahy ka niampanga lainga azy teo anatrehan'ny olona hoe: Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota! Koa dia nentin'ny olona tany ivelan'ny tanana izy ary notorahany vato mandra-pahafatiny. 14 Ary naniraka olona hilaza amin'i Jezebela ny manampahefana tao an-tanana fa notoraham-bato i Nabota ka maty. 15 Rehefa ren'i Jezebela fa maty notoraham-bato i Nabota, dia hoy izy tamin'i Ahaba: Mitsangana ka alao ho anao ny tanimboaloboka izay tsy neken'i Nabota hamidy taminao, satria tsy isan'ny velona intsony izy fa efa maty. 16 Rehefa ren'i Ahaba fa maty i Nabota, dia lasa izy nankany amin'ny tanimboalobok'i Nabota ilay Jizrehelita mba haka izany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12