vendredi 16 novembre 2012

Zoma 16 Novambra 2012 - II Sam 12 : 1 - 15

1 Naniraka an'i Natana mpaminany ho any amin'i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: Nisy lehilahy roa tao amin'ny tanana iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra. 2 Nanana ondry sy omby marobe ilay mpanankarena; 3 fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavikely iray izay novidiny. Nofahanany tsara izy io, ka niara-nitombo tamin'ireo zanany tao aminy. Ny sakafo fihinan'ilay mahantra no nihinanany; ny ronono fisotrony no nisotroany; ary teo akaikiny no nampatoriany. 4 Indray andro, nandray vahiny ilay manankarena. Tsy mba naka tamin'ireo omby aman'ondriny anefa izy hamahanany azy, fa ny ondrivavikelin'ilay mahantra no nalainy ka namboariny ho an'ilay vahiny. 5 Tezitra mafy tamin'izany lehilahy izany i Davida ka nilaza tamin'i Natana hoe: Velona ny TOMPO ka manizingizina aho fa mendrika ny ho faty izay olona nanao izany! 6 Ary ny ondrivavikely dia hosoloiny avo efatra heny, satria nanao izany tsy nisy antra izy. 7 Dia hoy i Natana tamin'i Davida: Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin'ny famelezan'i Saoly. 8 Natolotro hofehezinao ny fianakavian'i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefanao ny vahoakan'i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao. 9 Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin'ny nanaovanao izay ratsy eo imasokoy Nasianao tamin'ny sabatra i Oria ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin'ny sabatry ny Hamonita. 10 Noho izany, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin'i Oria ilay Hetita mba ho vadinao. 11 Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin'ny ankohonanao Aho. Halako eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary. 12 Ary ianao nanao izany tao amin'ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason'i Israely manontolo. 13 Dia hoy i Davida tamin'i Natana: Nanota tamin'ny TOMPO aho. Ary hoy kosa i Natana tamin'i Davida: Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14 Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon'ny TOMPO tamin'izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty. 15 Dia nody tany an-tranony i Natana. Namely aretina ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida ny TOMPO, ka dia narary mafy izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12