lundi 5 novembre 2012
Alatsinainy 05 Novambra 2012 - Deo 24 : 10 -18
10 Rehefa ny namanareo no ampindraminareo zavatra na inona na inona, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy. 11 Mijanona ao alatrano, ary ny lehilahy izay nampindraminareo zavatra no hamoaka ny antoka ho aminareo ao alatrano. 12 Raha ohatra lehilahy mahantra no manome ny lambany ho antoka, dia aza tananareo miloaka alina io antoka io fa tsy maintsy haverinareo aminy mihitsy rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ka hisaorany anareo. Dia ho asa soa vitanareo izany eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo. 14 Aza ampahorinareo ny mpikarama izay mahantra sy ory, na anisan'ny mpiray firenena aminareo izy na anisan'ny vahiny eo amin'ny taninareo sy ao an-tanananareo. 15 Fa ny andro anaovany ihany no hanomezanareo ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany satria mahantra izy sady io karama io no andrandrain'ny fony. Aoka tsy hitaraina amin'ny TOMPO noho ny nafitsokareo izy, fa dia ho fahotana aminareo izany. 16 Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny ray aman-dreniny; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny isam-batan'olona. 17 Aza manao fitsarana miangatra amin'ny vahiny sy ny kamboty ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho antoka. 18 Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, ary ny TOMPO Andriamanitrareo no efa nanavotra anareo ho afaka tany; koa izany no andidiako anareo hanatanteraka izany zavatra izany.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...