mercredi 7 novembre 2012
Alarobia 07 Novambra 2012 - Mar 10 : 17 - 22
17 Ary nony niainga handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nanatona Azy, ka nandohalika teo anoloany ary nanontany Azy hoe: Ry Mpampianatra tapitra ohatra o, inona no tokony hataoko hananako anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay? 18 Dia hoy i Jesoa taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tapitra ohatra? Tsy misy tapitra ohatra afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, aza maka vadin'olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina, aza manambaka, hajao ny rainao sy ny reninao. 20 Fa hoy ralehilahy taminy: Mpampianatra o, izany rehetra izany dia efa voatandriko hatramin'ny fahatanorako! 21 Dia nijery azy tsara i Jesoa ka velom-pitiavana azy ary niteny taminy hoe: Zavatra iray no tsy ampy aminao; ndeha amidio ny fanananao rehetra ka zarao amin'ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia hiaraka amiko. 22 Dia nanjombona endrika ralehilahy noho izany teny izany; ka lasa nandeha tamin'alahelo, satria nanan-karembe.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...